- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : adin’ny samy mpandraharaha : Raikitra ny sakoroka, notafihan’ny vahoaka ny...

Maroantsetra : adin’ny samy mpandraharaha : Raikitra ny sakoroka, notafihan’ny vahoaka ny kaomisaria sy ny distrika

Hafa ity tranga niteraka sakoroka tao Maroantsetra omaly ity, satria dia adin’ny samy mpandraharaha lavanilina no niatombohany, nefa nivadika ho sakoroka be ka notafihan’ny vahoaka ny kaomisaria, saika nidiran’izy ireo ny fitsarana, ary misy antontan-taratasy may teo anivon’ny distrika. Ankoatra izany, tsy nijanona ny maraina ihany ny fandehan-javatra fa nitohy ny tolakandro. Tamin’izany no nahafantarana fa nisy zandary iray vaky loha voatora-bato ary olona iray voatifitra teo amin’ny feny.

Adin’ny samy mpibizina. Raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary ireo vahoaka azo antso tamin’ny finday dia olana ara-bola teo amina mpandraharaha lavanila iray sy olom-boafidy teo aloha iray, izay samy mpibizina lavanilina, no nahatonga ny olana. Ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa manan-trosa amin’ilay olom-boafidy ilay mpandraharaha ka nitory teo anivon’ny Fampanoavan’ny Fitsarana tao Maroantsetra.  Ity farany kosa no naniraka ny polisy hanao ny fanadihadiana, nefa amin’ny maha-resa-bola sy trosa ny raharaha dia ny polisy teo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny heloka ara-bola sy ara-toekarena Toamasina no nisahana ny raharaha. Tonga tany Maroantsetra mihitsy nisambotra an’Ingahy olom-boafidy, araka ny lalàna maniraka azy ireo.

Sakoroka efa nomanina. Vokatr’io fisamborana azy io no nampitroatra ny olona noho ny fanentanana nataon’ireo ekipany, satria isan’ny mpividy ny vokatr’ireto olona ireto sy tamin’ny naha olom-boafidy azy teo aloha no itiavan’ny olona azy. Raha ny alatsinainy teo no tonga tany ireo polisy hisambotra azy, dia ny talata vao natao izany ary nohazonina teo anivon’ny kaomisarian’i Maroantsetra izy. Omaly kosa dia tonga maro be notarihana fiara 4×4 mena ireo vahoaka, izay efa tsara omana, ka nanafika ny kaomisaria sy namoaka azy avy ao. Tsy nisy aloha ny tifitra nandritra izany. Taoriana izay dia nihazo ny Fitsarana izy ireo, nefa efa tsara ambin’ny zandary ny tao, dia nankany amin’ny distrika indray izy ireo, ka teo no nisian’ny fandorana ireo antontan-taratasy maromaro nataon’ireto olona marobe.

Tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia milamindamin-dratsy ny ao Maroantsetra satria misy mandrahona hamono indray ireo polisy avy eto Toamasina nanao iraka araka ny lalàna, ka misy ny fiarovana manokana azy ireo amin’izany. Niezaka mandamina ny ao an-tanàna ihany koa ireo tompon’andraikitra samihafa ka nisy aloha ny famotsorana sy fampitsaharana ny raharaha fitoriana nataon’ilay mpandraharaha. Na izany aza anefa, nitohy ny hariva ny gidragidra ary niely be ny feo fa nisy ny fitifirana. Rehefa nojerena akaiky dia fantatra fa tamin’izay no naharatrana zandary iray teo amin’ny lohany sy naha voatifitra olona iray teo amin’ny feny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici