- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Famaranana ny tetikasa Usaid Mikajy

Maroantsetra : Famaranana ny tetikasa Usaid Mikajy

Mifarana tamin’ity volana Febroary ity ny tetikasa Usaid Mikajy, tany amin’iny faritra Analanjirofo iny. Tetikasa izay nentina nanampiana tosika fikambanana maro ary nanaovana tantsoroka ara-pitaovana sy ara-bola tamin’ny fitantanana ireo valan-javaboary tany an-toerana, toy ny tao Masoala, Mamabaie, ary Makira. Dimy taona no naharetan’ity tetikasa ity ary izao mikatona tanteraka izao. Sehatra maro tao amin’ireo kaominina 27 isa tao amin’ny faritra Analanjirofo no niasan’izany tetikasa izany ary azo lazaina fa nitondra fampandrosoana sy vokatra tsara ho an’ireo mponina tao amin’ireo kaominina ireo ny fisian’izany. Tao anatin’izany, ny sehatry ny jono, ny sehatry ny ala, ny sehatry ny famokarana lavanila, nahafahan’ireo kaoperativa maro ivondronan’ny mpamboly mifandray ara-barotra mivantana amin’ireo mpanangom-bokatra, ary nahazoan’izy ireo fitaovana manara-penitra ihany koa. Teo amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany dia tafapetraka tamin’ireo kaominina telo ny birao ifoton’ny fananan-tany, miaraka tamin’ireo fitaovana vaovao ary efa miasa. Tsy hadinno ireo fikambanana maro samihafa, izay nisitraka fampiofanana sy tohana ara-pitaovana tamin’ny alalan’ity tetikasa ity.

Ny alakamisy lasa teo nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tao Maroantsetra izany tetikasa izay, tamin’ny alalan’ny lanonana manetriketrika. Tonga nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Goverinoran’ny faritra, ny Lefitry ny distrika ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny avy, niaraka tamin’ireo ekipan’ny Usaid Mikajy notarihin’ny Tale nasionaliny. « Ny Faritra moa dia miezaka mandrakariva manamora sy manohana ny fampiharana ny tetikaasa toy itony mba hametrahana tokoa ny fampandrosoana tsy mitanila sy maharitra aty  amin’ny Faritra Analanjirofo » hoy ny lahatenin’ny tompon’andraikitra voalohan’ny faritra.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici