- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Lakolosy halatra, tratra tao an-tranona Ben’ny tanàna

Maroantsetra : Lakolosy halatra, tratra tao an-tranona Ben’ny tanàna

Taorian’ny tao Fenerivo Atsinanana nahatrarana lakolosy halatra tamin’olona, dia tranga hafa indray ity niseho tao amin’ny kaominin’Ivoloina Maroantsetra ity ny alakamisy 4 may teo. Tsy taiza no tratra ilay lakolosy halatra niseho tany an-toerana, fa tao an-tranon’ny ben’ny tanàn’Ivoloina Maroantsetra. Raha ny fanazavana dia tsy ela akory izay no nisy nangalatra ny lakolosin’ny sekoly fanabeazana fototra tany an-toerana. Manana ireny marika “R.F ” ity lakolosin’ny EPP ao Ivoloina Maroantsetra ity, noho izy isan’ny sekoly tranainy teto amintsika satria niorina tany amin’ny manodidina ny taona 1900 tany ho any. Vao very ity lakolosin’ny EPP ity dia nanao fikarohana ny fokonolona, ka noho ny resaka nandeha tao an-tanàna dia nosavain’izy ireo ny tranon’ny ben’ny Tanàna any an-toerana, ka izao tratra tao an-tranony izao ilay lakolosy ny EPP. Tezitra noho izany ireo fokonolona dia nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ny ben’ny Tanàna, nefa tafaporitsaka izy ka ny fiarany iray sy moto roa no nodoran’ny fokonolona. Nisy ihany koa ny fanimbana tetezan-kazo mampitohy ny kaominina amin’ny distrikan’i Maroantsetra, entina hanankanana ny fitsoahan’ny ben’ny Tanàna izay karohan’izy ireo fatratra ankehitriny. Hatreto raha teo tsy fantatra ny toerana misy ity ben’ny tanànan’Ivoloina ity.Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana any Maroantsetra ny raharaha izao, izay hahiana hatrany hiteraka “sakoroka” any an-toerana tahaka ireo efa nitranga hatramin’izay izao raharaha izao. Raha hisy ny fahasamborana ity ben’ny Tanàna ity izay tsy maintsy takian’ny olona ny fitsaram-bahoaka ho azy. Na tsy ho tratra ihany koa izay mety hiteraka tondro-molotra ho an’ireo heverina ho mpanafina azy. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha, efa mandray an-tànana ny olana raha teo ny zandary . Fa raha ny angom-baovao dia efa am-polony ireo lakolosy mitondra marika “RF” very tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, izay saika lakolosim-piangonana katolika avokoa ny ankamaroany very tamin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici