
Mpamaky fasana fa tsy mpangalatra taolam-paty. Ny an’ireto roalahy tra-tehaky ny zandary tao Marosoroka Maroantsetra ireto dia hafa mihitsy indray ny antony namakiany fasana. Raha malaza mantsy amin’izao ny resaka halatra taolam-paty, izay mbola tsy fantatra mazava hoe atao inona ary iza ireo mpandray azy dia naleo’izy roa lahy nivadika tamin’izay zavatra, efa hita fa be mpitady sy mora amidy azo alaina maimaim-poana ao am-pasana. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary mantsy dia tratra niaraka tamin’ny entana maromaro ry zalahy ireto. Entana izay nampomban’ny fianakaviana ireo havany efa nodimandry! Ny faran’ny volana lasa teo tokoa dia nisy roa lahy nampiahiahy nilonjehitra entana, nifanehatra tamin’ny polisy mpanao fisafoana tao Ankiakandrefana, Maroantsetra, tokony ho tany amin’ny misasakalina tany ho any. Mazava ho azy fa olona tsy mazavazava izy ireo ka nosakanan’ny polisy ary nentina nihazo ny birao avy hatrany ho amin’ny famotorana. Rehefa nosavaina ihany koa ny entana dia nahitana lamba sy fitaovana maro samihafa. Rehefa nofotorina ny niavian’izy ireo dia fantatra fa entana avy nagalarin’izy ireo tao … am-pasana izany. Raha ny vaovao dia fasana tao Marosoroka ity norabain’izy ireo ity ary nentin-dry lematy avokoa izay zavatra nisy vidiny tao am-pasana. Notanana natao andrimaso ho famotorana avy hatrany moa izy ireo. Natolotra ny Fampanoavana tao Maroantsetra ny voalohan’ny volana teo ary nadoboka am-ponja vonjimaika.
m.L




