- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Raikitra ny sakoroka, may ny biraon’ny fitsarana, saika vaky ny...

Maroantsetra : Raikitra ny sakoroka, may ny biraon’ny fitsarana, saika vaky ny fonja.

Taorian’ny raharaha fahavakisan’ny biraon’ny sampan-draharaha ny fananan-tany tao Maroantsetra, izay mbola eo am-panadihadiana ny tena tompon’antoka ny mpitandro ny filaminana, noho ity raharaha ity tsy mazava tamin’ny fahaverezan’ireo antontan-taratasin- tany sy ny fahavakisan’ny “coffre”; dia raikitra indray ny sakoroka tao Maronantsetra omaly noho resaka halatr’omby nivadika ho vono olona.

Fitsaram-bahoaka. Mitaraina lava amin’ny zandary ao Maroantsetra noho ny halatra omby mahazo azy ireo, ireo mpiompy manodidina an’i Maroantsetra, saingy tsy mety misy valiny ny fitarainam-bahoaka, ary tsy mety tratran’ny zandary ity dahalo efa ifampitadiavan’ny fokonolona. Ny herinandro nivalona iny, dia tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana omby ity dahalo rain-dahany efa nandrasan’ny olona, ka tratran’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, noho ny tsy fahatokisana ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana intsony ho azy ireo, ka maty tsy tra-drano ity dahalo rain-dahiny ity. Taorian’izany dia ny tompon’omby indray no nosamborin’ny zandary fa namono olona, sy nanaovan’izy ireo fanadihadiana ny talata teo, ary niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny alarobia ; izay nampiditra azy am-ponja vonjy maika noho ny vesatry ny antontan-taratasin’ady mikasika ilay vono olona.

Nitroatra ny fokonolona. Tsy te-hahalala izay vesatra mikasika ny vono olona anenjehana ity tompon’omby ny fokonolona tao Soanieran’i Maroantsetra, ka tonga niakatra an-tanan-dehibe hamoaka ny namany nogadraina. Omaly misandratr’andro, dia nidiran’izy ireo ny biraon’ny mpitsara misahana ny raharaha tao Maroantsetra, novakian’izy ireo ny fitaratra sy ny fanaka tao anatiny ary nodoran’ireto fokonolona ireo antontan-taratasin’ady tao anatin’ilay birao. Taorian’izay, dia namonjy ny fonjaben’i Maroantsetra izy ireo hamoaka ny namany. Teny an-dalana ho any anefa izy ireo, dia nandray fepetra avy hatrany hisorohana ny fahavakisan’ny fonja ny fitsarana, ka nanome baiko ny hamoahana ilay tompon’omby. Io omaly io dia niditra mivantana tamin’ny onjam-peo ny solombavambahoakan’i Maroantsetra nanao ny fanelanelanana ny raharaha, saingy tany am-piasana avokoa ireo niantefan’ny hafatra, ka tsy nisy nahare izay nambaran’ity depiote ity akory.

Omaly ihany, dia efa nilamindamin-dratsy ny tanànan’i Maroantsetra. Nitondra ilay tompon’omby nody tany Soanieran’i Maroantsetra ihany koa ireto fokonolona. Miezaka ny mandamina ny antontan-taratasy nikorontana sy may tao amin’ny birao fitsarana ireo mpitsara. Matahotra ny valifatin’ny fokonolona kosa ireo zandary izay tsy maintsy manao fidinana ifotony amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici