- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Roalahy voalaza fa mpanafika, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Maroantsetra : Roalahy voalaza fa mpanafika, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Olona roa, izay voalaza fa nanafika tanana sy nangalatra jirofo indray no maty, niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Maroantsetra. Tsy namelan’ireo fokonolona nahasambotra azy, izy roalahy ireto raha tsy tapitra ny ainy. Ny alatsinainy sy talata lasa teo no nitrangan’izany tao amin’ny fokontany Anjahana, kaominina ao ihany. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy fanahafihan-jiolahy tao amin’io tanana io ny herinandro lasa teo. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany fanafihan-jiolahy izany ary vola mitentina eo amin’ny fito hetsy ariary teo ho eo no lasa, niampy jirofo sivy kilao. Vetivety dia niely eran’ny tanana ny feo. Roalahy izay teo an-toerana ihany no niantefan’ny ahiahian’ireo mponina rehetra ka raikitra teo ny savahao sy ny fisamborana. Ny alatsinainy lasa iny no voasambotra ny lehilahy iray, izay isan’ireo noahiahiana. Tsy nisy alaharo alaharo nataon’ireo mpisambotra fa avy hatrany dia daroka sy vono, ka tsy namelan’izy ireo raha tsy namoy ny ainy ilay lehilahy. Ny talata lasa teo indray kosa no hitan’ireo fokonolona ilay namany. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nahazo ilay voalohany ihany no nahazo ity farany, ary dia maty ihany koa no niafaràny. Tamin’ity iray farany ity moa dia efa nahazo antso mialoha ireo zandary, ary niezaka  nidina haingana teny an-toerana, saingy efa tsy nisy azo natao intsony nahakasika ilay ranamana. Fantatra fa ambonin’ireo zandary ireto dia mbola nisy hafa nalefa nidina tany amin’io faritra io, nanatevin-daharana iretsy namany amin’ny famotorana sy ny fanafidihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici