Ny herinandro nivalona teo iny, olona dimy no indray voasambotry ny zandary avy tao amin’ny vondron-tobi-paritry ny zandary ao Maroantsetra, noho ny resaka vola sandoka ary trafikana lasantsy sy rongony. Nandritry ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny alina no nahatratrarana ireto mpanao ratsy ireto. Araka ny fanazavàna azo mantsy dia mandeha amin’ny alina izy ireo, hialàna amin’ireo fisavàna isan-karazany mety hisy eny an-dalana. Tao anatin’ny alina iray monja dia vola sandoka aman’hetsiny ariary any ho any no sarona. Telo no voarohirohy tamin’ity resaka ity. Vola sandoka 20.000 ariary no ataon’izy ireo lasitra amin’izany. Lasantsy manodidina 246 litatra teo ho eo kosa no sarona ary olona roa no atao fanadihadiana mahakasika izany. Tao anatin’io alina iray io ihany koa dia nisy rongony milanja iray kilao sy sasany teo no tra-tehaka. Ankoatr’ireo vola sandoka, trafikana solika sy rongony dia fantatra ihany koa fa nisy omby 29 no voatery nampidirina “fourrière” no tsy fahatomombanan’ireo taratasin’izy ireo. Voamarina, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ireo zandary fa saika sandoka avokoa ireo “FIB” nampiasaina tamin’izany omby izany. Efa mandeha avokoa ny fanadihadiana mahakasika ireto raharaha ireto.
m.L