Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary misahana fifamoivoizana, na BPR(Brigade Police de la Route) Maevatanàna, tao amin’ny fokontany Maroharona, kaominina Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny talata maraina faha-13 febroary no nahatratrarana fiara kamiao iray avy any Mahajanga, nahitana hazan-dranomasina maina milanja 1500 kg, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Rehefa nohadihadiana ny mpamily sy ny olana nitondra izany dia hita fa tsy nisy fahazoan-dalana hahafahana mitondra ireo trondro ireo, araka faha-33 ao amin’ny didy hitsivolana laharana 2017-53, ny faha-04 Jolay 2017. Heloka sazian’ny andininy faha-100 amin’ny lalàna 2015-053 ny faha 03 febroary 2016. Noraisina araka izany ny fepetra mifanaraka ny lalàna voalaza etsy aloha, ho an’ireo hazan-dranomasina. Taorian’izay dia nampilazan’ny zandary avy hatrany ny teo anivon’ny sampandraharam-paritra misahana ny jono sy ny harena an-dranomasina aty Betsiboka, sady miantsoroka ny famotorana. Noho izany dia nanamafy ny zandary fa tsy hilefitra amin’ireny olona zatra lalan-dririna eny amin’ny lalam-pirenena eny.
Ratantely


