jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversMarohoho-Tsimbazaza : Trano misy rihana telo, kilan’ny afo

Marohoho-Tsimbazaza : Trano misy rihana telo, kilan’ny afo

Nisavoritaka ny teny Marohoho-Tsimbazaza omaly hariva, raha nahita ity trano lehibe misy rihana telo nirehitra tokony  ho tamin’ny 4 ora tany ho any. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso, tao amin’ny rihana voalohany no nanomboka ny afo izay tsy mbola fantatra hatramin’ny fotoana nanoratanay ny vaovao ny tena antony. Satria moa gorodona  ny manelanela ireo rihana rehetra, dia niitatra nihazo ny rihana faharoa sy fahatelo izany. Tena haingana ny fiitaran’ny afo ka efa nahazo ny  trano iray teo akaiky izany raha tonga teny an-toerana ny fiaraben’ny foiben’ny mpamonjy hain-trano etsy  Tsaralalàna. Avy hatrany ireto farany dia niditra an-tsehatra ka sady namono ny afo no niaro ireo trano manodidina. Araka ny fanazavana hatrany, somary nananosarotra ny famonjena izay naharitra teo amin’ny ora telo teo ho eo, satria fiarabe mpitondra rano roa  no tsy maintsy nahetsika.

Vokany, kila tanteraka ny rihana telo ary tsy nisy avotra ny entana tao. Azo lazaina fa avotra kosa ny tao ambany rihana. Tsy afaka niitatra nankao ny afo satria” beton” no manelanelana azy amin’ny rihana voalohany izay nanombohan’ny afo. Marihina fa, trano fonenana ity nirehitra ity ary fianakaviana maromaro izay mpanofa avokoa no monina ao. Soa fa tsy nisy ny naratra sy aina nafoy na dia lehibe tokoa ny fahapotehan-javatra. Isan’ny olana   ka niteraka fahatarana ho an’ireo mpamonjy voina, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra iny miakatra an’Ambohijatovo. Tsy maintsy nizotra tamin’iny lalana iny anefa ny fiaran’izy ireo mba hialana ny tohana vokatry ny andro tsena ao Mahamasina, omaly.

T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici