
Efa tena maro ireo olona manaotaofoana amin’izao fahantrana izao, ka hatramin’ny fampiasana vola sandoka izay mety hampigradra mandram-pahafaty araka ny lalana no misy manao. Tao Marolambo distrika farany atsimo amin’ny faritra atsinanana dia nahatratra olona mpanao vola sandoka sy mpanapariaka izany ny zandary tany an-toerana, ka vola 2.080.000 ariary ny sarona teny aminy.
Ny tetika ity mpampiasa vola sandoka ity dia alefa amin’ny alalan’ny fandefesana vola amin’ny finday ireto vola sandoka mba hanadiovana azy. Saingy teo ampandefasana izany tamin’ny « cash point » ilay mpanapariaka azy no tratra ireto vola sandoka ; satria mailo ilay mpampiasa fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday ka niantso zandary. Nosamborina ilay ramatoa ka raha nataon’ny zandary ny fanamarinana izany dia niisa 208 ny vola sandoka ireto 20.000 Ariary avokoa. Raha nataon’ny zandary fanadiadiana ny tenany dia nilaza izy fa tsy fantany hoe sandoka ireto vola nentiny, fa ny sakaizany no naniraka azy. Raha nokarohina ilay sakaizany dia efa nanao tari-dositra niala tanàna. Raha nanao vela-pandrika ny zandary dia tratra tao Mahadio ilay lehilahy naniraka ilay ramatoa tamin’ity vola sandoka ity. Fantany tsara sy nihaiky, fa sandoka ity vola nentiny sy saika halefa tamin’ny fandefasam-bola tamin’ny finday ka tsy nambarany tamin’ilay vehivavy sakaizany.
Ankoatra izany dia mbola fantatra ihany koa fa misy ny mpiray tsikombakomba amin’ity lehilahy nitondra vola sandoka ity, ka karohana fatratra ankehitriny, satria mbola misy vola sandoka maro any amin’ireto mpiray tsikombakomba saingy mbola tsy voasambotra.
Malala Didier


