- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaromalandy-Maevatanàna : Nidina ifotony nanao fanentanana mikasika ny tsy fandriam-pahalemana ny Zandarimariam-pirenena

Maromalandy-Maevatanàna : Nidina ifotony nanao fanentanana mikasika ny tsy fandriam-pahalemana ny Zandarimariam-pirenena

Ireo zandary nanao fanentanana.

Ny Alakamisy faha 09 Jolay teo no nidina ifotony tao amin’ny fokontany Maromalandy, kaominina ambanivohitra Ambalajanakomby, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy, izay nihaona nivantana tamin’ireo vatan-dehilahy. Nanao hetsika fanentanana sy fampahafantarana mivantana mikasika ny paikady ho fanantonan’ny Zandarimariam-pirenena ny vahoaka sy fanafamafisana ny fiaraha-mientana, ary fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty an-toerana. Nentanina ihany koa ny vatan-dehilahy, amin’ireo fihetsika tsotra anefa mahomby mba hoenti-miady amin’ny asan-dahalo. Nisy hatrany ny fanomezana ny laharana an-telefaonina ho an’ny rehetra, ahafahana miantso sy mampandrehy ny mpitandro ny filaminana, raha sendra mahatsikaritra olona mampiahiahy any anaty fiaraha-monina any, indrindra ny trangana tsy fandriam-pahalemana .Taorian’izay dia nanazava ny momba ny andraikitra sy ny iraka sahanin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary no nanamafy, fa hezahina hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny ato anatin’ny faritra iadidiany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa nitondra fisaorana tamin’ny lehiben’ny zanatobi-paritry ny Zandary teo aloha fantatra ny maro amin’ny anarana hoe : Bejamin, tao amin’ny fokontany Maromalandy ny vahoaka ny amin’ny ady atao nataony, mikasika ny trangana tsy fandriam-pahalemana no maniry hiverenan’ity farany hiasa ao indray, izy ireo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici