- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversMarotsipoy Anjozorobe : Lehilahy iray nentin’ny dahalo natao takalonaina

Marotsipoy Anjozorobe : Lehilahy iray nentin’ny dahalo natao takalonaina

Basy « Kalach »  dimy, Mas 36 iray ary basim-borona iray no nentin’ireto andian-jiolahy nanafika tao amina tokantrano iray tany amin’iny faritra Anjozorobe iny. Tsy vitan’ny notafihana anefa ny tompon-trano, fa mbola nentina natao takalonaina ny raim-pianakaviana.

Zava-nitranga ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any, tao amin’ny kaominina Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, dia nahatratra teo amin’ny roapolo lahy teo ireo olon-dratsy  tonga, nanao amboletra tao amin’io tokantrano io. Mazava  ho azy, eo anatrehana andian-dahalo miravaka fitaovam-piadiana mahery vaika, hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha izay, dia tsy misy afa-tsy ny manaiky izay zavatra notakian’izy ireo ny tao an-trano. Raha ny angom-baovao hatrany, dia heverina ho tena fakàna an-keriny an-kitsirano mihitsy ny zava-niseho satria, ambonin’ny fandraofana izay zavatra sarobidy tao amin’io tokantrano io, dia toy ilay raim-pianakavina mihitsy no nokendren’ireo olon-dratsy halaina. Vao azon’izy ireo moa ity farany dia nitsoaka avy hatrany ireo andian’olon-dratsy ireto nihazo ny làlana miankandrefana iny. Taorian’ny fanafihana araka izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo niharam-boina. Nihetsika avy hatrany ireto farany ary nanao ny fanarahan-dia, izay nahitana mpitandro filaminana maromaro : ny avy ao amin’ny DAS, ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Amboasary Avaratra, ary ireo mpitandro filaminana miasa ao Ankaraoka. Nampandrenesina ihany koa ireo teny amin’ny faritra manodidina, hanangana sakana sy hisava eny amin’ny làlana. Mbola mitohy moa izany fikarohana sy fanarahan-dia izany hatramin’ny omaly, raha ny fampitam-baovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici