- Publicité -
lundi, octobre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarovoay-Boeny : Foanana ny fivezivevezin'ny bajaj 

Marovoay-Boeny : Foanana ny fivezivevezin’ny bajaj 

Ny talata faha 12 May taona 2026 teo iny, tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro no nanatanteraka fivoriana momba an’ireo kodiaran-telo, na bajaj, sy ny kamiao ny mambaran’ny  » OMC  » any Marovoay, izay niarahana tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana miasa any amin’ny renivohitry ny faritra ny Boeny sy ny tao an-toerana, filohan’ny federasionan’ny kaoperativa misahana ny fitaterana an-tanety ao Mahajanga, talem-paritry ny fitaterana an-tanety. Izany dia notarihin-dRamatoa lehiben’ny disitrikan’i Marovoay. Anisan’ny voaresaka sy nahenoana fitarainana maro nandritra izao fihaonana izao ny olana goavana mateti-piseho ataon’ireo mpamily bajaj sy mpamily kamiao, any amin’ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena fahefatra, toa an’Ankazomborona, Antanambao Andranolava, Marosakoa, ary Ambolomoty. Hita tokoa fa tena mampitombo ny fikorotanana sy ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena ny fivezivezin’ireo fiara tsy manana fahazoan-dalana hiasa amin’ny RN4 ary mbola manampy trotraka ihany koa ny fandehanana mafy, ka lasa miteraka lozam-pifamoivoizana.Taorin’ny dinidinika ambany tafon-trano nataon’ireo tompon’andraikitra ny amin’ny fandinihana lalina mikasika izany, dia tapaka ny fampiharana ny naoty mitondra ny laharana: 001 MTTM/SG/DGT/MMT/2020 navoakan’ny Minisiteran’ny Fitaterana ny andron’ny faha 04 jaonary taona 2021, izay fandrarana ny fiara kodiaran-telo tsy hivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena. Noraisina hatrany moa ity naoty ity, amin’ny tsy hisian’ny bajaj hiasa eny amin’ny kaominina voalaza etsy ambony, izay manamorona ny lalam-pirenena fahefatra. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa ho hentitra amin’ireo olombelona mbola minia mandika ny fanapahan-kevitra ny tompon’andraiki-panjakana ary nitondra teny fanentanana ho an’ny  rehetra mampiasa ny lalana mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici