Dahalo efatra amin’ny enin-dahy mbola tanora erotrerony ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika sy kalaza amin’ny halatra omby no saron’ny Zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Marovoay. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia ireto malaso mitam-basy ireto no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpandraharaha iray tao amin’ny Fokontany Bevovoka Marovoay tampon-tanàna, ny 07 aogositra lasa teo ; izay nahaverezana vola an-tapitrisany. Nandritra ny fanafihana, dia nisy ny fifampitifirana teo amin’ ny Zandary sy ireo olon-dratsy, saingy tsy nisy voasambotra ireto farany izay efa tena za-draharaha tanteraka. Mbola niverina nanafika tao Marovoay, tao amin’ny Fokontany Amparihilava ireto dahalo tanora, ny 12 aogositra lasa teo, ka lasan’ izy ireo tamin’izany ny omby 40 . Nanoloana ny fanafihana nisesisesy, dia nametraka vela-pandrika ny mpitandro filaminana ary raikitra ny hazalambo, ka teo no nahasamborana ny efatra tamin’ireto dahalo ; izay tratra niaraka tamin’ny basy vita Gasy sy ny bala niaraka tamin’ireo antsy maranitra fampiasan’ izy ireo, raha mbola karohina fatratra kosa ankehitriny ny naman’izy ireo roa tafaporitsaka, hoy ny vaovao. Raha ny fanazavana azo, dia mbola ady goavana manokana ho an’ny mpitandro filaminana, ny fanenjehana an’ ireo mpanamboatra sy mpamatsy basy vita Gasy fampiasan’ireo dahalo.
Eric Manitrisa