- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarovoay : Lakana rendrika, olona dimy namoy ny ainy, am-polony tsy hita...

Marovoay : Lakana rendrika, olona dimy namoy ny ainy, am-polony tsy hita popoka

Lakam-by iray no rendrika tao amin’ny reniranon’i Betsiboka afak’omaly. Hatreto dia tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy, raha am-polony maro kosa no mbola tsy hita popoka.

Araka ny fampitam-baovao azo dia tao amin’ny tanana iray atao hoe Manaratsandry ao amin’ny distrika Marovoary no nitranga ity loza an-dranomamy ity. Lakam-by mitondra olona sy entana maro mampitohy ireo tanana kely maro any an-toerana no niharan-doza. Raha ny voalaza dia toa hoe nihoatra ny tokony ho fetra zakany ny olona sy ny entana nentin’ity lakam-by ity tamin’io fotoana io. Araka izany tsy nahazaka intsony ity fitaovam-pitanterana ity nony tonga teny am-povoan-drano ary nilentika. Nisy sasany tamin’ireo mpandeha no nilaza fa somary ratsy ny andro, nony tonga teny am-povoan-drano izy ireo. Somary nanonja araka izany ny rano niampy tafio-drivotra. Noho ny havesaran’ilay fitaovam-pitanterana an-dranomamy ity dia vetivety dia tafiditra ny rano tao anatin’izany. Somary nihilana kely ilay izy, avy eo nivadika tao anaty rano, niaraka tamin’ireo mpandeha sy olona marobe nentiny. Nisy tamin’ireo mpandeha no avotra soa aman-tsara sy tody soa an-tanety. Razana dimy kosa no efa hita sy tafiakatra avy anaty rano. Hatramin’ny omaly dia am-polony any ho any amin’ireo mpandeha, raha ny vaovao azo, no mbola tsy hita. Efa any an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici