
Nisongona kamiao ilay taxi-brousse. Izay no anton’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga omaly tetsy Mahasoa-Marozevo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany, tsy nisy nierireritra izay hanjo azy ny mpan deha rehetra tao anatin’ilay fiara fitaterana satria nandeha tsara ny fifamoivoizana. Tampoka teo anefa, nifatratra tany amin’ny kamiao iray izay nifanena tamin’izy ireo ilay taxi-brousse marika Sprinter izay nitondra azy ireo. Mafy ny fifandonana ka zaza iray vao dimy volana no maty tsy tsa-drano teo. Raha araka ny fanazavan’ny zandary izay nanokatra fanadihadiana dia nisongona kamiao « semi-remorque » ilay taxi-brousse. Samy ho any Moramanga ny dian’ireo fiara roa ireo. Tao anatin’izany anefa dia nisy fiara iray, izay kamiao koa, hizotra ho aty an-drenivohitra. Samy tsy tafajanona ireo ka dia nifandona tanteraka. Potika tsy nisy noraisina ny lohan’ilay taxi-brousse. Niongotra koa ny ankamaroan’ny seza taoriana. Izany dia manaporofo sahady ny fifandomana mafy teo amin’ireo fiara roa. Tao amin’ny seza aorian’ny saofera, toerana izay matetika fidian’ny mpandeha satria isan’ny tsy atahorana rehefa misy loza, no nisy ilay zazakely sy ny reniny. Teo ihany anefa dia namoy ny ainy io zaza io ary ny mamany kosa mbola tsaboina. Nijanona ny olona raha nahita ny lozam-pifamoivoizana ary nifanampy tamin’ny famoahana ireo naratra tao anatin’ny taxi-brousse. Vetivety dia tonga koa ny bemoto an’ny zandary ary nifanome tànana tamin’ny olona tamin’ny fikarohana fiara hitatitra ireo naratra mafy. Be loatra ny adin-tsain’ny olona rehefa mandeha taxi-brousse saingy tsy afa-miala satria tsy misy safidy. Ny voalohany dia ny lozam-pifamoivoizana izay mateti-pitranga noho ny tsy fitandreman’ny mpamily na koa noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Ny manaraka izany indray dia ny fisian’ny jiolahy mpanakan-dàlana. Izany rehetra izany no lasa manome kisary fa toa lasa vatam-paty mandehandeha ny fiara fiteram-bahoaka ankehitriny. Tsy misy anefa ny safidy satria sady efa tsy mandeha intsony lalam-by, na misy aza dia zotra iray sisa, no koa tsy takatra ny saran’ny fiaramanidina. Dia mbola izany no iainan’ny olona izay tsy maintsy mivezivezy, amin’izao vanim-potoana efa mandroso izao. Na ny vinan’ny kandidà aza hatreto dia tsy hahitàna taratra ny mba ho fanatsaràna ny fitaterana akory.
D.R