Tsy nisy toa izany ! « Tsy hisy olona tonga hamonjy anareo eo,… Avoahy avokoa ny fananana rehetra ! ». Nanao izay danin’ny kibony, ary nanjaka tanteraka tao amin’ity fokontany iray ao ao amin’ny kaominina ambonivohitra Anjozorobe ireo dahalo, afak’omaly. « Voafafa » tanteraka ara-bakiteny ny tanana, lasa avokoa ny omby rehetra ary noraofin’ireo olon-dratsy tamin’ny gony ny vola !
Efa zary sakafo fihinan’ny mponina andavanandro any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ny resaka asan-dahalo, izay vao mainka moa nampiana valan’aretina Covid-19 indray amin’izao. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tena sahy mihitsy ireo andian-dahalo. Fokontany iray, tsy lavitra fa dia 10 kilaometatra miala ny tampon-tanana no nataon’ny dahalo nahita faisana ny hariva ny alakamisy teo. Tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any tokoa mantsy dia dahalo am-polony maro nirongo fitaovam-piadiana no tonga nanafika tao amin’ny fokontanin’i Masakalina.
Tanana amoron-dalana, tohin’ny lalam-pirenena fahatelo mizotra mihazo an’Alaotra iny saingy mbola lalan-tany. Horakoraka, kiririoka niaraka tamin’ny feom-basy mitatata no re maneran’ny tanana, hoy ny fitantarana mponina any amin’iny toerana iny. Ary tsy vitan’izay fa nodomina isan-trano ary nasaina nivoaka avokoa hoe, raha ny angom-baovao hatrany. Nasaina namoaka ny vola rehetra tany an-tranony avy tany ireo mponina ary « tena noraofina sy nangonin’izy ireo tamin’ny gony » ny vola. Ny sasany tamin’ireo dahalo kosa namoaka tsirairay ireo omby rehetra tany am-bala, mitotaly am-polony maromaro.
Voafehy tanteraka izahay, hoy hatrany fitantaranan’ireo mponina ary nanana fotoana maharitra mihitsy izy ireo nanaovana ny asa ratsiny. Adin’ny iray sy sasany mahery teo ho eo no niainan’ireo mponina horohoro sy tahotra ny ho faty sa ho velona. Na izany na tsy izany dia fantatra fa tsy nisy olona namoy ny ainy na ny naratra tao an’ity fanafihana ity saingy very fananana tanteraka ireo vahoaka. Ny somary nampalahelo, hoy ny sasany dia « nisy ihany ny afaka nampilaza mpitandro filaminana, raha mbola tao anatin’ny fanafihana saingy toa hoe nilaza izy ireo fa hoe tsy ampy fitaovana angaha handehanana mankaty, kanefa dia etsy amin’ny lalana antsakadiny miala ny tampon-tanana dia tongotra ». Ary mety ho izay ve no fantatr’ireo andian-dahalo ka nasahian’izy ireo nandraby ireo mponina ny amin’ny hoe « tsy hisy hamonjy anareo izany eo … »
Taorian’ny fanafihana tokoa moa vao tonga ireo mpitandro ny filaminana, ny zandary avy amin’ny tobim-paritra ao Anjozorobe saingy mazava ho azy efa nandositra ireo dahalo niaraka tamin’ny omby. Ny Komandin’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana, azo an-tariby omaly no nanazava fa « efa tokony ho tamin’ny sivy ora alina izy ireo vao nisy nampandre ka tsy ho « possible » intsony ny famonjena. Ny fanarahan-dia sisa azo atao ». Marihana fa efa eny am-panaovana izay fanarahan-dia izay tokoa ireto mpitandro filaminana ireto niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy tao an-toerana. Mbola tsy nisy latsaka hatreto aloha ireo omby ary tsy mbola nisy voasambotra ireo malaso, raha hatramin’ ny omaly hariva.
m.L