Tsy vitan’ny mandeha irery intsony ireo olon-dratsy, fa efa tena manao andiany maro mihitsy manao ny asa ratsiny. Toy izany ity nitranga teny Masay, ny faran’ny herinandro teo. Andian’olona maromaro no avy hatrany dia nanafika « taxi », tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Efa somary mangina ary zara raha misy fiara mandalo amin’iny làlana iny amin’izany fotoana izany. Vitan’ireto olon-dratsy ireto, araka izany, ny mibahana ny làlana. Tsy maintsy nijanona ilay mpamily noho izany ka tamin’izany no nanantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no nentin’ireto andiana mpanendaka ireto raha ny fantatra hatrany. Tamin’io fotoana io, na ilay mpamily na ilay mpandeha nentiny, dia samy voaendaka avokoa. Tato ho ato tokoa dia nangingina ity fanafihana « taxi » amin’ny alina ity. Satria araka ny fanadihadiana nataonay tamin’ireo mpamilina fiarakaretsaka voatery hiasa alina, dia efa misy ny fepetra manokana noraisin’ireo mpamily ireo tsirairay avy. Toy ny hoe tsy mandray olona mampiahiahy, na mitondra olona mankany amin’ny toerana midikiditra, sns. Nanova paika indray anefa ireo jiolahy ka izao miverina izao indray izany izy io, ary amin’ny endrika fanakanan-dàlana, toy ny miseho eny amin’ireo làlam-pirenena.
m.L