Samy niandrandra ny lanitra avokoa ny ny ankamaroan’ny olona teto Toamasina raha vao niparitaka ny resa-be mikasika ity masoandro voadidina zava-boribory nanomboka tokony tamin’ny 10ora sy sasany teo. Samy nanana ny nambarany ny rehetra vao nahita izany, nisy mihintsy aza ireo nivavaka tampoka fa hoe “Hisy loza be ho avy” matoa mitranga eny amin’ny lanitra ny zavatra toy izao. Tao kosa ireo tsy mino izany ka nilaza fa voajanahary ny tranga toy izao izay ateraky ny rahona manify eny an-danitra. Na samy manana ny heviny aza ny rehetra tamin’ity tranga teny an-danitry Toamasina omaly antoandro ity, dia ny fanazavana azo avy amin’ny mpiasan’ny famatarana ny toetr’andro eto Toamasina, fa saika isan-taona dia misy ny tranga toy izao raha vao misy ilay rahona manify lasa ambony kokoa noho ny rahona mahazatra, ary tena voajanahary tanteraka ny zava-niseho fa tsy hisy loza na atambo hitranga izany mihintsy. Tokony tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro teo dia nisinda ity zava-boribory nanodidina ny masoandro ity raha vao rako-drahona tanteraka ny lanitra teto Toamasina, nefa mbola nandeha hatrany ilay resa-be mikasika izany.
Malala Didier