Andro iray toarian’ny lozam-pifamoivoizana tao Antsohihy dia fantatra fa mbola misy razana tsy nisy naka. Fantatra ny momba azy noho ny fanamarinana tao anaty rezisitry ny mpandeha. Fantatra koa ny tany niaviany rehefa hita tao am-paosiny ny tapakila. Saingy azo heverina ho tsy fantatry ny fianakaviany kosa fa isan’ny namoy ny ainy tao anaty lozam-pifamoivoizana izy. Nandray andraikitra avy hatrany ny fikambanan’ny foko Betsileo ao Antsohihy ary nampahafantatra momba ny zava-nisy. Nozaraina ny anaran’ny maty sy ny sariny tamin’ny tambajotra sosialy ary koa ny laharana hahafahana mifandray amin’ny tomponandraikitra. Tsiahivina fa 11 no namoy ny ainy nandritr’iny lozam-pifamoivoizana iny. Nisy ny mpihavana tao anatiny ary nisy koa ny mpivady. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana avy hatrany ny fanasiana fetran-taona amin’ny familiana fiara iombonana. Raha ny fantatra mantsy dia olona efa tokony ho misotro ronono no mbola nanamory taxi-brousse hatrany.
D.R



