- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMATSF : Hizara karatany roa tapitrisa amin’ity taona ity

MATSF : Hizara karatany roa tapitrisa amin’ity taona ity

Mitaky drafitrasa mahomby sy maharitra ny fanatrarana ny tanjona apetraky ny fitondram-panjakana amin’ny hizarana karatany 2 tapitrisa mandra pahatongan’ny faran’ny taona 2023. Ankoatra izay dia hiaradia amin’ity fizarana karatany ity ihany koa ny fizarana karatany faobe. Efa lany ny didim-panjakana fampiharana hahafahana mizara karatany faobe, isan’ny antony iray hisian’ny atrikasa hifampidinihina sy hifanazavan’ny sampandraharahan’ny fananatany sy ny kaominina amin’ny alalan’ny  ben’ny tanana satria ity farany dia manana ny Birao Ifotony ny Fanantany na ny BIF,  miara miasa amin’ny sampandraharahan’ny ministera sy ny topo ary ny FTM.

Marihina fa efa nisy didy fampiharana nolanian’ny governemanta ihany koa tamin’ny taona lasa mahakasika ny fizarana karatany manerana ny Nosy  ary mitohy izany mandraka ankehitriny. Io didy io no manazava ny pitsopitsony rehetra ho fanatanterahana izany famokarana karatany izany.

Isan’ireo faritra 9 mandray anjara feno amin’ny atrikasa ny faritra Vakinakaratra, tonga nanatrika izany ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanan-tany Atoa Holder Ramaholimasy, nambarany fa araky ny lalana lany teny amin’ny antenimieram-pirenena dia mitovy tanteraka ny lanjan’ny karatany sy ny “titre foncier”. Ny “titre” ho an’ny tany nolovaina na novidiana, ny karatany kosa dia ho an’ny tantsaha namboly sy nananjary ny tany farafahakeliny 5 taona.

Tanjon’ny  fizarana karatany ny hanomezana fahafaham-po ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka mba hahafahan’izy ireo misitraka ny taniny sy hiarovany ny tanindrazany ary indrindra entina hampiroboroboana ny fampandrosoana eny ifotony. Mitohy noho izany ny ezaky ny MATSF miaraka amin’ny fanohanan’ny tetik’ asa CASEF izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola ary iarahana amin’ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici