- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMatsiatra Ambony

Matsiatra Ambony

Fianarantsoa : Tsy nandray karama 15 volana ny mpiasan’ny kaominina

 Karaman’ny mpiasan’ny Kaominina 15 volana, no fantatra ankehitriny fa tsy voaloa, ka anatin’ny fitakiana sy fangatahana amin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ny fandoavana izany ireo mpiasa. Raha ny tati-baovao, dia misy amin’ireo karama teo aloha : ny volana septambra, oktobra, novambra, desambra 2015 izay mbola vary mangatsiaka no tsy voaloa, ka takian’ireto mpiasa ny handoavana izany hatramin’ny faran’ny taona izao. Raha tsiahivina dia mitotaly 18 volana ny karama tsy voaloa nandritra ny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny kaominina tamin’ny andron’ny PDS teo aloha, ka ny telo volana tamin’ireo ihany no nefain’ny fitondrana tamin’izany. Na dia teo aza ny fampanantenana isan-karazany nataon’ny mpitondra amin’izao, dia mbola tsy voavaha ny olana, hoy ny tolokon’ireo mpiasa.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici