- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMatso : Miaramila iray torana

Matso : Miaramila iray torana

Tsy tao anatin’ireo mpanao matso izy fa kosa isan’ireo mpiambina ny toerana, izany hoe Analakely sy ny manodidina. Tokony ho tamin’ny 11 ora, tao anatin’ny matso tanteraka no nianjera tampoka ilay miaramila manao satroka mena, izany hoe miasa eo anivon’ny Tafika an-tanety. Torana tsy nahatsiaro tena izy ary faran’izay haingana dia notsoahin’ireo namany teo ary novelombelomina. Nifanandrify ny toerana nisy ireo ampanjaka sy tangalamena ary sojabe no nisian’ity tranga izay nanaitra ny maro izay nanatri-maso teo. Raha ny fihevitry ny olona dia reraka no sady noana kanefa nodanihan’ny hain’andro. Rehefa misy hetsika toa ireny mantsy dia vao maraim-be dia efa tonga eo an-toerana ny mpitandro ny filamiana ary manomboka eo dia efa miasa. Matetika koa dia herinandro mialoha dia efa miverimberina eo amin’ny toerana ary manao famerenana ho an’izay manao matso na koa mijerijery ny toerana hametrahana azy ho an’izay miatrika ny fiambenana. Mety ho navesatra ny harerahana ary dia nitarika azy ho nitsirara ho azy tamin’ny tany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici