Ny Alatsinainy faha 21 Oktobra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora tolakandro no nitondra fitarainana teny amin’ny biraon’ny Zandary i Rakotondrasoa jenesy Ranefotro, fa naratra mafy nodarohan’ny vadiny tamin’ny hazo tany am-bavarano ny hanabaviny. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, araky ny fampitam-baovao voaray dia ny andron’ny Alatsinainy faha 07 Oktobra lasa teo no nandeha » nandro, » teny amin’ny reniranon’i Matsamena, eo akaikin’ny fokontany Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ilay lehilahy sy ny vadiny, niaraka tamin’ny namany iray. Vetivety teo dia nodarohan’ny tamin’ny hazo ny vadiny, taorian’ny fifamaliana teo amin’io toerana somary mitokana io, saingy tsy sahy niresaka tamin’olona ilay namany. Nohon’ny ratra nahazo an’ity vehivavy ity, dia noentina teny amin’ny CSB2 tao Mahazomà, ity farany, ary niafara tamin’ny fahatesana moa izany ny harivan’ny Alatsinainy faha 21 Oktobra teo. Raha nambaran’ireo mpitsabo hatrany dia nohon’ny ratram-pony, vokatry ny dona mafy niverimberina teo amin’ny lohany no nahatonga ny fahafatesan’ilay Ramatoa. Efa nomena ny havany eny amin’ny fokontany Ambovomavo/Mahazomà ny fatin’i Haja, izay tokony eo amin’ny 35 eo no namela kaboty telo mianadahy. Taorian’izay no nanokatra ny fanadihadiana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, ary nosamborina avy hatrany ny navanon-doza. Ny Alatsinainy hoavy izao, vao hiakatra fampanoavana ny raharaha, aorian’ny fandevenana anio Alakamisy, sady hanokatra ny famotorana ny Zandary avy ao zana-tobim-paritran’ny Mahazomà.
Ratantely