« Anisan’ireo dahalo raindahiny efa nokarohina ela izy io, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary, ary voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana maromaro tany amin’iny distrikan’i Marovoay sy ny manodidina iny ». Araka izany, voatonotonona foana ny anaran-dRabotity (anara-petaka) rehefa misy fanafihana mitranga any amin’iny faritra iny. Antony nahatonga ny zandary hikaroka azy mafy. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nisy ny angom-boavao azon’izy ireo mahakasika ny toerana mety hiafenan’ity olon-dratsy, izay tsy aiza tao Bedoho, fokontany Indroamitsaka, kaominina Bemaharivo, distrikan’i Marovoay. Nanao bemidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ary nanao izay fomba rehefa hisamborana azy sy tsy ahafahany mitsoaka intsony. Tsy izay anefa no zava-nisy fa mbola nahita irika ny hitsoahana sy hanorehana ireo mpitandro filaminana tonga hisambotra azy ingahy Lebotity. Tsy vitan’ny nanohitra fa mbola voalaza fa nampiasa fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany ihany (basy vita gasy) ingahy sy ny namany. Raikitra ny fifampitifirana ary lavo tamin’izay ilay jiolahy raindahiny efa ela nifampitadiavana. Azo ihany koa ny fitaovam-piadiana nampiasainy.
Marihana, raha ny vaovaon’ny zandary hatrany, fa talohan’ity fifandonana tamin’ireo zandary ity dia mbola nanao asa ratsy tao amin’ny tananan’Ankaraobato, Bemaharivo ingahy ity sy ny namany. Tsy vitan’ny halatr’omby tsotra tamin’izay fotoana izay fa niaraka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana naharahana doro trano mihitsy. Efa eo am-pikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy kosa ireo zandary.
m.L