jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversMausolé : Mpanatitra fahana finday, voaroba avy eo voadonan’ny fiara

Mausolé : Mpanatitra fahana finday, voaroba avy eo voadonan’ny fiara

Indroa nahita ny maizina ity tovolahy iray, mpanatitra irony fahana finday ireny, teny amin’iny faritra Mausolé iny. Rehefa avy norobaina roalahy nirongo basy ny vola rehetra tany aminy dia mbola naratra mafy voadon’ny fiara ihany ity tovolahy ity nony avy eo. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any no niseho ity tranga ity. « Efa mahazatra ity tovolahy ity, hoy hatrany ireo mponina, ny manatitra fahana sy maka ireo « versement » amin’izany eny amin’iny faritra iny. Tamin’izay no nipoitra tampoka ny roalahy, nitondra « scooter » ary nanambana basy azy, sy naka ny vola rehetra tany aminy ». An-tapitrisany tany ho any ny vola tany aminy, raha ny fantatra hatrany. Taorian’ny fanafihana dia tapa-kevitra ity voatafika ity fa hanenjika ireto mpanafika, izay nitsoaka nihazo an’Ampasanimalo sy Tsiadana iny. Samy nandeha « môtô » rahateo izy ireo ka raikitra ny fifanenjahana. Nony tonga teo akaikin’ny sampanana miakatra manakany Antanimora iny anefa, sendra nisy fiara « renault express » nipoitra tampoka, raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany. Tafaporitsaka ary tafala an’io fiara io ireo roalahy mpanafika. Indrisy fa mbola nikimpin’ny vintana indray ilay tovolahy voatafika. Avy hatrany mantsy dia nifatratra teo amin’ilay fiara ity tovolahy ity niaraka tamin’ny « môtô »-ny. Mafy ny fifandonana hoy ireo olona teny an-toerana. Nipitika lavitra mihitsy ity mpanatitra fahana ity avy eo niakarapoka tamin’ny tany. « Mbola nisy aina izy tamin’ny novonjena teo », raha ny filazan’ireo mponina, saingy tsy nahatsiaro tena fotsiny. « Angamba mety ho voa mafy tany amin’ny lohany tany, fa niboiboika rà tsy nijanona ny vavany sy ny orony ». Teo no ho eo ihany dia nentin’ireo mponina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity niharan-doza ity, tsy nisy niraharaha intsony ireo jiolahy tafaporitsaka. Efa tetika maty paika sa kisendrasendra ratsy ho an’ity tovolahy voatafika ? Tsy fantatra aloha hatreto. Efa nampandrenesina ary tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, nandray an-tanana ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici