- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMausolée : Mpiasan’ny Jirama sandoka, fatorany ny tompon-trano dia robainy ny entana

Mausolée : Mpiasan’ny Jirama sandoka, fatorany ny tompon-trano dia robainy ny entana

Ny alakamisy antoandro teo, teny amin’ny faritry ny Mausolée, mpiasan’ny Jirama sandoka miisa enina no nandroba trano miisa telo. Nisy tamin’ireo olona tratran-dry zalahy tao an-trano no voafelaka tehamaina sady nasaina niondrika tamin’ny tany. Nisy hafa koa indray voaambana sabatra ary tao amin’ny trano fahatelo, notapenana ny vavan’ilay olona ary nafatotra ny tanany sy ny tongony. Trano telo tsy dia nifanalavitra ireo trano voaroba ireo. Mody mandeha tsiroaroa ry zalahy, manao “combinaison” manga ary milanja sakaosy kely efa simbasimba ao an-damosina. Tao amin’ny trano volohany, mpanampy sy ny zanaky ny tompon-trano no tao. Nasain-dry zalahy nampiseho ny rosia nandoavana vola ireo olona ireo. Tsy hita anefa izany ka nasainy niantso telefonina ny tompon-trano. Vao lasa anefa ny iray dia notereny hanoro ny toerana misy ny vola na ny firavaka ilay nijanona. Tsy nety nanao izany anefa ka tonga dia voafelaka tehamaina ary nasaina niondrika tamin’ny tany tsy mahazo mijery azy raha tsy te ho faty. Rehefa izany dia noraofina avokoa ny zavatra tsaratsara rehetra toy ny solosaina fitondra mandehandeha, haingon-trano izay tafiditra tao anatin’ny sakaosy teny aminy. Vao nahazo izany ireo roalahy dia lasa nandeha. Gaga fotsiny ireo olon-dehibe rehefa tonga fa tsy hita teo amin’ny toerana nisy azy intsony ireo zavatra rehetra ireo. Nifindra tao amin’ny trano faharoa indray ireo mpandroba ary nilaza fa tsy mbola voaloa ny saran’ny jiro efa roa volana. Niteny ny tompon-trano fa tsy marina izany ary nangataka ny karatra maha mpiasa an’ireo bandy. Tsy nisy izany anefa tany. Ho valin’izany, sabatra avy hatrany no navoakan’ireo olon-dratsy. Nandrahona ny hamono mihitsy izy ireo raha tsy manome azy ny vola rehetra sy izay firavaka ao an-trano. Tsy sahy nanohitra moa fa nanaraka izay notadiavin’ireo mpangalatra. Niezaka niantso vonjy ny tompon-trano, ry zalahy anefa efa dila. Hay nifindra tao amin’ny trano fahatelo indray ny roalahy. Mpanampy no tao ary tonga dia voatampina ny vavany, hoy hatrany ny vaovao voaray. Tsy vitan’izany fa nofatorany ny tongotra sy ny tanany, notapenany ny vavany mba tsy ho afaka hanao na inona na inona. Nalain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy. Rehafa tonga ny tompon-trano tokony ho tany amin’ny 1 ora tany ho any, gaga fotsiny nahita ilay mpanampy mifatotra.

Tokony ho mailo hatrany ny rehetra amin’izao fotoana izao fa tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Efa misy moa ny fitarainana napetrak’ireo voaroba eny amin’ny mpitandro filaminana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici