Mitohy hatrany ny fandroahana ireo malagasy tsy misy taratasy fahazoan-dàlana honina ao amin’ny nosy rahavavy Mayotte. Izany rehetra izany dia aoa anatin’ny fanapahan-kevitra hentitra an’ny departemanta frantsay mba hiadivana amin’ny fifindra-monina an-tsokosoko. Mitovy hatrany ny toerana izay nahatratrarana ireo olona dia teo amin’ny antsoina hoe Petite-Terre izany. Mandeha amin’ny sambokely haingam-pandeha izy ireo ary eo amin’io toerana io no tsy dia voaara-maso firy ka manamora ny fidirana ao Mayotte. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy noho ny hetsika izay mandeha amin’izao fotoana izao dia ny fanamafisan’ny zandary frantsay ny sisin-tany ary nanampiana an’isa azy ireo. Sarona avokoa ny ankamaroan’ireo rehetra nikasa ny hiditra an-tsokosoko. Etsy andanin’izany, ny an-tanety koa dia mandeha tsy an-kijanona ny fidiran’ireo mpitandro ny filaminana misafo ireo kartie feno vahiny tsy misy taratasy. Izay tratra dia avy hatrany dia asiana rojovy ary haterina eny amin’ny ivon-toerana manokana mba hanokafana fanadihadiana. Eny izy ireo no miandry ny fiaingàna amin’ny famerenana any amin’ny fireneny. Voakasik’izany hatrany ny teratany malagasy. Ho an’ireo 52 isa izay voasambotra farany teo dia noroahina avy hatrany ary nampodiana any Nosy-be. Any izy ireo no nanokafana fanadihadiana. Raha ny fantatra dia misy zaza amam-behivavy tao anatin’ilay « delegasiona » saika hiditra an-tsokosoko tany Mayotte. Midika izany fa tena vonona ny hiala tanteraka teto amin’ny fireneny ireo olona ary hanorim-ponenana any ivelany. Saingy nandamoaka izany rehefa tratra ary vola nariana fotsiny ny naloa tamin’ny tambajotra tsy ara-dalàna izay nanomana ny rehetra. Maro ny mahita fa mitsoa-ponenana ny mpiray tanindrazana sasany noho ny fahasahiranana mihoam-papana iainan’izy ireo. Ankoatra an’i Mayotte dia mbola isan’ny manaporofo izany koa ny fisian’ireo maro izay vonona ny hiasa any amin’ny firenena Arabo na dia efa maro aza no maty tany.
D.R