vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversMenaka hosoka tratra tao Tanambao I : Misy akom-baovao hafa voarain’ny mpanao gazety…

Menaka hosoka tratra tao Tanambao I : Misy akom-baovao hafa voarain’ny mpanao gazety…

Nanaitra ny maro ny serasera nataon’ny orinasa Hita momba ilay menaka hosoka tratran’ny zandary tao Tanambao I efatrandro lasa izay. Vokatr’izany dia nahazo vaovao hafa indray ny mpanao gazety taorian’ izany, noho ny zavatra nisy nandritra izany. Efa tany amin’ny volana novambra 2023 tany ho any no nividianana ny menaka teny amin’ny orinasa Hita, sy nisy ny faktiora ara-dalana nivoaka nandritra izany.

Saingy ny 14 novambra io ihany no nitrangana haitrano goavana tao amin’ny trano fitehirizam-barotra Bazary kely, ka nisy nandritra izany ny “sapeur pompier” namono ny afo nandritra izany, ary isan’ny tao anatin’ilay magazay ireo menaka tratra nolazaina fa hosoka ity. Ho fisorohana ny fitaran’ny afo dia nesorina tao ireto menaka ary efa tsy nisy intsony ny baoritra nitehirizana azy. Vokatr’izany, ny 15 Novambra io ihany dia nisy ny fangatahana baoritra hametrahana ireto menaka may ireto tamin’ny orinasa Hita, saingy tsy nanana hono ny orinasa Hita. Tao anatin’izay dia nataon’ny magazay tao anaty “sachet” ireto menaka ireto, ka namidy mora izany, 7.000 ariary, mba hiverenan’ny vola fotsiny aloha. Nisy mihitsy aza namidy 6.000 ariary ho an’ireo nividy maro tamin’ilay menaka nambara fa hosoka ity.

Ankoatra izany dia nambaran’ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitialin’ny orinasa, fa latsaka ny 0,2 ny asidra ao anatin’ny menaka famoakan’ny Hita raha mihoatra avo telo heny an’izany ny an’ilay menaka voalaza fa hosoka ity. Tsy nisy anefa ny ara-taratasy fanazavana izany fa teny nambara fotsiny tamin’ny mpanao gazety izany. Mitaky toeram-pitialana “neutre” ity fianakaviana voarohirohy nanao hosoka ity mikasika izany, mba hahatonga ny resaka tena hoeken’ny rehetra, hoy ireo nanome fanazavana hafa.

Malala Didier 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici