Taim-piraka sy vovo-pasika telo tavoahangy, nolazain ho “mercure” no saika nentin’ity rangahy 61 taona, nentina namitahana olona roa be izao tany amin’iny distrikan’Antanifotsy, afak’omaly. Soa ihany, nalaky tonga saina ireto lasibatra ary niantso zandary haingana. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina no nisy nampandre ny zandary tao Antanifotsy fa misy mpisoloky mitondra “mercure” sandoka tao amin’ny hôtely iray tao Antanifotsy, Vakinankaratra. Nidinanana tany an-toerana ary nanaovana velam-pandrika izany mpisoloky izany ary tra-tehaka tsy afa-niala tao amin’io toerana fandraisam-bahiny io. Heverina fa efa teo am-pamitàna ny varotra nifanaovany tamin’olona anankiroa ity farany no io tonga ireo zandary. Rehefa nojerena moa ireo tavoahangy telo voafono tsara, nolazainy fa “entana” amidiny dia hita fa tsy izay nolazainy velively ny tao fa taim-piraka nasina fasika mba hampavesatra azy. Olona tsy ampoizina velively raha ity mpisoloky ity, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Satria dia rangahy efa voky taona, manodidina ny 60 taona any ho any ary raha ny endrika ivelany dia tantsaha hiringiriny, tsy ahitàna soritra olon-dratsy mihitsy. Avy any Ambodononoka, distrika Marolambo iny no fiavian’izany rangahy izany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary moa ingahirainy, ka nofotorana. Fisolokiana efa ela tokoa ity resaka volamena, vato sarobidy ary “mercure” ity. Ny mahagaga, na dia efa maro aza ireo efa lasibatra sy nahita faisana ary very fananana, dia mbola maro ihany no tafajoboka. Ny mateti-piseho mantsy dia zavatra tsy misy akory na zavatra sandoka tahak’ity tany Antanifotsy ity avokoa no harantiratin’ireo mpisoloky ary ahazoan’izy ireo vola an-tapitrisa maro tokoa.
m.L