- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Efa- dahy tsy manan-tsiny, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Miandrivazo : Efa- dahy tsy manan-tsiny, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana eto amin’ny tany sy  ny firenena mihitsy ity fitsaram-bahoaka ity. Zava-doza fa lasa zary fiainan’ny olona ny manao fitsaram-bahoaka raha vao misy tsy fandriampahalemana, indrindra fa ny fokonolona no mahazo voalohany ireo jiolahy na dahalo, eny fa hatramin’ireo mpanao hala-botry dia efa fitsaram-bahoaka no miandry azy. Fa tsy izany kosa no niseho tao Miandrivazo, fa olona tsy manan-tsiny, tsy nahafantatra na inona na inona mihitsy no saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Raha ny fanazavana avy tamin’ny loharanom-baovao marim-pototra, dia nitrangana fanafihana tao amina tokantrano iray tao Miandrivazo. Nitsoaka nandositra ireo jioalahy rehefa nahazo izay nilainy, niantso vonjy kosa ilay ramatoa tao an-trano ary nilaza fa nisy olona nanafika. Efa-dahy avy nanamboatra fiaran’olona no nidio tamina renirano iray rehefa avy namita ny iraka nampanaovina azy ary nikasa hitodi-doha hiverina eto Antsirabe, tamin’io fotoana io. Tondro molotra no nahazo azy efa-dahy ireo nambaran’ilay ramatoa vaotafika fa ireo ilay jiolahy nanafika azy. Nirohotra ny fokonolona nikasa hamono azy ireo, ny fiara Golf nentin’izy efa-dahy no nodoran’ny olona voalohany ary efa teo am-pisamborana azy ny fokonolona no tonga ny mpitandro filaminanana niaro azy ireo. Voatery nafenina andro vitsivitsy izy efa-dahy noho izany, satria nanamarina ny nampiasa azy ireo fa tsy jiolahy velively ry zalahy, fa nafarana hamboatra fiara tao Miandrivazo. Taoriana ny fakana am-bavany azy ireo ny herinandro lasa teo, dia fantatra fa efa navotsotra ry zalahy ary nafenina lavitra ny fokonolona ny fialany tao Miandrivazo no mbola narahina zandary ihany koa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici