- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Fanafihan-dahalo, dimy ny maty

Miandrivazo : Fanafihan-dahalo, dimy ny maty

Nivaivay tanteraka ny fanafihan-dahalo any amin’iny distrikan’i Miandrivazo iny. Tanana iray antsoina hoe Tanambao Antsanoka no notafihan’ny andian-dahalo am-polony maro teo, izay samy nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra. Tsy vitan’ny nandroba ny fananan’ireo mponina tao an-tanana anefa ireto farany fa mbola nandoro ny trano vitsivitsy izay sendra azy ireo

Raha ny voalaza sy ny fampitam-baovao azo dia somary lavitra andriana ihany ity tanana kely ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo ity. Efa nisy ihany anefa ny fanentanana sy fampianarana nataon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny tokony ahaizan’ireo mponina miaro ny tananany na ilay antsoina hoe « auto-défense villageoise », ary dia nandaitra tokoa izany.  Tsy nanaiky nolembenana tokoa mantsy ireo fokonolona fa nanohitra hatramin’ny farany, amin’ny heriny sy izay azon’izy ireo natao. Vokany, nisy efatra tamin’ireo olon-dratsy nanafika no matin’ireo mponina, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Na izany aza anefa, nandritry ny fifandonana dia nisy iray tamin’ireo fokonolona no voan’ny balan’ireo malaso ka namoy ny ainy. Rehefa hitan’ireo mpanafika fa tena sahy nanohitra azy ireo ny fokonolona, dia nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy no nanan-kevitra ny handoro trano ary nanararaotra nitsoaka taorian’izay. Hany ka voatery nanajanona ny fanarahan-dia ireo mponina fa samy namonjy namono ny afo avokoa. Taorian’izay, izay hoe, efa tapitra nitsoaka avokoa ireo olon-dratsy vao tonga tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, raha ny vaovao hatrany. Efa mandeha moa any an-toerana ny fikarohana ireto dahalo tafatsoaka ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici