- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : zandary iray naiditra am-ponja noho ny fitifirana olona

Miandrivazo : zandary iray naiditra am-ponja noho ny fitifirana olona

Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ambaratonga voalohany tao Miandrivazo ilay zandary kilasy voalohany, niasa tao amin’ny borigady Ankavandra izay voampanga ho nitifitra ka nahafaty ilay kartiemobily monina ao Antanimena, fokontany Ambakaka, kaominina ambanivohitra Ankavandra, ny voalohan’ny volana oktobra teo. Naiditra amponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Miandrivazo avy hatrany io zandary io omaly. « Marihina fa ny fampiharana ny lalana dia tsy anavahana tavan’olona. Tsy misy ambonin’ny lalàna », hoy ny fanazavana avy amin’ny zandary ihany.

Raha ny fanazavana dia nisy ny fametrahana galona an’ireo zandary izay nahazo izany tao Ankavandra; ka io andro voalohan’ny volana oktobra io no nanaovana izany. Nisy ny fiarahana mikorana teo izay niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fandriam-pahalemana, ka isan’ireo nanatrika izany ireo kalôny tao. Nisy ny fifamaliana teo amin’ilay zandary kilasy voalohany sy ilay kalôny iray. Nisy fandaminana tamin’izany ka efa nilamina tsara tao amin’ny toerana nanaovana ny korana ilay raharaha. Rehefa hariva anefa ny andro dia mbola nifampitaritarika tany izy roa lahy ka tany no nisy ny fifampikasahan-tanana tamin’izy ireo ka niafara tamin’ny fitifirana nataon’ilay zandary ka namoizana ny ain’ilay kalony. Nipetraka avy hatrany ny fitoriana, nosamborina ilay zandary,  ary izao naiditra am-ponja izao.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici