- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMiaramila maty tany Belobaka : Nosamborin’ireo dahalo, nampijalijaliana vao novonoina ho faty

Miaramila maty tany Belobaka : Nosamborin’ireo dahalo, nampijalijaliana vao novonoina ho faty

Ny sabotsy teo no nigadona teny amin’ny toby miaramila RM1 Analakely ny nofo mangatsiakan’ny Kapôraly Albert, lavo an-tanim-piadiana tany amin’iny faritra Bongolava iny, tao amin’ny kaominina Belobaka, ary hita faty ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavàna azo dia efa ny 24 desambra lasa eo no voalaza fa tafasaraka tamin’ny namany ary tsy hita intsony izy. Nanamboka teo ny fikarohana azy ary efa ny vatana mangatsiaka sisa no hita ny zoma lasa teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ilay miaramila, ary tsikaritra fa toa hoe nampijalijaliana vao notaperina ny ainy.

Ny zava-nisy, araka ny vaovao voaray : mpanao dabokandro maromaro no notafihana andian-dahalo an-jatony teo ho eo, nirongo fitaovam-piadiana, raha avy any Antsalova hizotra ho any Tsiroanomandidy. Niantso vonjy tamin’ireo mpitandro filaminana tany amin’iny faritra iny ireto voatafika. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary, nanara-dia ireo dahalo, nampiana miaramila telolahy avy tamin’ny Tafika. Anisan’ireo ity miaramila maty ity. Vetivety ihany dia tratra ireo andian-dahalo ary raikitra ny fifandonana. Tamin’io fotoana io no voatifitra ihany koa ny kaomandin’ny tobim-paritra Belobaka. Niezaka nihemotra araka izany ireo mpitandro filaminana satria sady maro ireo dahalo ka mety tsy ho resy tosika raha tsy miandry fanampiana. Tamin’io fotoana io no tsy tazana intsony niaraka tamin’izy ireo ny miaramila iray naman’izy ireo, ary tsy hita intsony. Telo andro taty aoriana vao io hita io ny vatana mangatsiakany.

Tonga nanome voninahitra farany ity miaramila lavo an-tanim-piadiana ity moa ireo tompon’andraikitra ambony avy tamin’ny Tafika, notarihan’ny Lehiben’ny Etamazaoro, sy ireo tompon’andraikitra ambony maromaro avy amin’ny Zandamariam-pirenena. Nampiakarina ho « sergent » moa ity maherifon’ny firenena iray ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici