Mazava ny fitondram-panazavàba nentin’ny Ministry ny Foloalinday, ny Jeneraly Razafitombo Ely. « 𝗡𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗶𝘃𝗲𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗺𝗶𝗹𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗱𝗶𝗵𝗮𝗱𝘆 𝗸𝗮 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 amin’izy ireo 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝘇𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗹𝗮 » . Midika izany fa sady enjehina araka ny lalàna manan-kery eny anivon’ny fitsaràna no enjehina ihany koa araka ny sazy miaramila, ireo olona voakasika. Nohamafisiny fa tsy baiko avy amin’ny fitondram-panjakana na avy amin’ny fitantanana ny Tafika Malagasy ny fanafihana tobin-tsolika nataon’ireo miaramila niaraka tamina sivily teny Ambodihady. Feno arak’izany ny fampiharana ny sazy ara-milamila ary efa mandeha ihany koa amin’izao fotoana ny fanadihadiana toa ny olon-tsotra ireo miaramila miisa enina. Nohamafisin’ny Minisitra fa : » misy ny fitsipi-pifehezana tsy maintsy arahina eo anivon’ny Foloalindahy ary mila hajaina izany ho an’ny miaramila rehetra. Misy koa ny fiofanana etika sy deotolojian’ny miaramila ary tena manan-danja izany ». Niteraka resa-be ity fanadihana nataon’ny miaramila ity ary tao anatin’ny fotoana fohy dia fantatra ny momba azy ireo sy ny asany ary ny toerany. Niasa mafy ny tambajotra sosialy ary nanampy tamin’ny tsy maintsy nitondràn’ny tompon’andraikitra fanazavana mahakasika ny raharaha. Nirarakopana ny fanambaràna sy ny fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety. Ny tsikaritra dia nila avokoa ny fiarovana ireo mpitandro ny filaminana nania.
D.R




