jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila nikasin-tanana olona tao Mangarivotra : Niakatra tonia mpampanoa lalana omaly ny...

Miaramila nikasin-tanana olona tao Mangarivotra : Niakatra tonia mpampanoa lalana omaly ny raharaha

Niteraka resa-be teto Toamasina ity miaramila nikasin-tanana olona nanmbarany tsy nanao arovava tao Mangarivotra atsimo ity. Naratra mafy moa ilay rangahy nandritra izany ka ny vavany sy ny masony no tena voa mafy tamin’izany daroka nahazo azy izany. Efa nilaza moa ny etamazaoro ny tafika fa tsy handefitra amin’izany miaramila mihoam-pefy mikasin-tanana olona izany ka andray ny andrainkiny izy ireo. Taorian’ny niakaran’ny raharaha teny amin’ny zandary nisahana ny fanadiadiana sy naneken’ny lehiben’ny miaramilan’ny Jenia no hanaovana fakana am-bavany ilay miaramila nihoam-pefy, dia niakatra tonia mpampano lalana omaly maraina ny raharaha. Tonga niatrika izany ny fianakavian’ilay rangahy be voadaroka tao Mangarivotra. Nisy anefa ny fifandaminana teo amin’ilay miaramila sy ny fianakaviany ary ny fianakaviam-ben’ny miaramilan’ny Jenia, sy ireo fianakavian’ilay rangahy be voadaroka, teo anoloan’ny fampanoavana sy ny mpisolovava an’ilay rangahy be voadaroaka. Nanditra ny ora maro anefa tsy hita ny zavatra tapaka fa hitohy amin’ny fotoana manaraka ny fifampiraharahana eo amin’izy roa tonta, araka ny nambaran’ny mpisolovava an’ilay rangahy be voadaroka. Ny zavatra fantatra fotsiny anefa dia niaiky ny adalany tamin’ny fikasian-tanana olona ilay miaramila, ka izao miezaka mafy hifampiraharaha mba tsy hitaran’ny raharaha amin’ny sehatra ambony kokoa izao ny tenany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici