- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila teo aloha mpanolana : Nosaziana 10 taona sazy mihatra am-ponja

Miaramila teo aloha mpanolana : Nosaziana 10 taona sazy mihatra am-ponja

Hagagana ny an’ireo mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy misahana ny fitsarana ady heloka be vava tsotra eto Toamasina raha nahita ity miaramila teo aloha antsoina hoe Sylver 36 taona raim-pianakaviana manan-janaka telo ka roa vavy, izay mbola niakatra fitsarana ady heloka be vava teto Toamasina ny herinandro nivalona teo, noho ny resaka fanolanana nataony tamina zaza tsy ampy taona 09 taona sy 06 taona tao Tsarahonenana Toamasina suburbaine. Raha ny fanazavana azo, dia mbola io resaka fanolanana io ihany no niakarany fitsarana ady heloka bevava tsotra ny taona 2015 izay nahazoany roa taona sazy mihatra am-ponja noho ny fanolanana zatovovavy tsy ampy taona mpitondra entana mitety trano mbola tao Tsarahonenana ihany tamin’izay, saingy tsy fotoana fohy nivoahany ny fonja taorian’izany dia izao voasazy indray ny tenany raha niditra am-ponja ny 13 oktobra 2016. Tamin’ity tranga  fanolanana famerenan-keloka nataony ity, dia zazavavy kely mpiara-monina taminy no nanaovany ny filany raha nitsiriritra ireto zazavavy kely milalao teo anoloan’ny tokotaniny. Raha ny fanazavan’ireto zazavavy kely roa, dia nataony toy ireny tamin’ny horonan-tsary mamoafady ireny mihitsy ny fanolanana azy ireo, saingy raha variana tamin’ilay zazavavy 09 taona ingahy Syliver dia tafatsoaka ny iray 06 taona, ka teo no nivoahan’ny marina rehetra na efa norahonany ho faty aza izy mirahavavy kely ireto nandritra izany. Tsy nandà ny heloka vitany ihany koa ingahy Sylver na teo amin’ny fakana am-bavany nataon’ny polisy, na teo anivon’ny fampanoavana, na teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana in-3 miantoana. Koa raha namoaka ny didiny ny filohan’ny fitsarana nitarika ny fitsarana ady heloka bevava, noho ny fitakiana ny fampiharana ny lalana nataon’ny fampnoavana ambony, dia nilatsaka ny didy fa noho ilay 2 taona tsy nampiova an’ingahy Sylver miaramila teo aloha tamin’ny resaka fanolanana, dia sazy mihatra 10 taona am-ponja no azony niampy onitra 1.600.000 ariary ihany koa izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici