- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Dahalo nanafika indroa miantoana, niala maina

Miarinarivo : Dahalo nanafika indroa miantoana, niala maina

Maromaro ny tahaka izao. Azo lazaina fa tena mahomby tokoa ny fotandraoana ny fahandriam-pahalemana ary ho tery ny lalan’ireo dahalo raha ity fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona ity no mitohy. Tsy afa-bela ireo mpanao ratsy ary voatery niala maina mihitsy azar aha irty seho tao amin’ny distrika Analavory, Faritra Ity no jerena. Fanafihana roan-dahalo roa no rava maina rehafa niditra an-tsehatra ireo zandary tao aorian’ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny fokonolona any an-toerana. Ny voalohany dia niseho ny 24 Aprily 2023 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nisy nanafika tao amin’ny tananàna iray atao hoe Anatihazo Salaka, Fokontany Ambohimandroso Kaominina Alatsinainikely. Ampolony ireo jiolahy izay voalaza fa notondra basy ka nitora-bato ary namoaka ny omby tao amin’ny valan’ireo mponina rehefa avy nanapoaka basy mba hampitahorana ny fokonolona.

Vao nitranga io fanafihana io dia niantso ny zandary ny Lehiben’ny fokontany. Ity farany izay nadefa  zandary miisa 6 avy hatrany, notarihin’ny kaomandin’ny borigadin’Analavory, nandeha moto nanidy kizon’i Marovoalavo. Nohon’ny firaisan-kina matotra izay efa nipetraka teo amin’ny tanàna vaotafika dia niainga avy hatrany ireo zandary izay miasa ao Alatsinainikely nampian’ireo fokonolona nanaradia ireo dahalo. Tetsy ankailany, nanidy ny kizo manakaiky azy ihany koa ny zandary tao Betsinjovina sy Andolofotsy. Ireo fokonolona amin’ny tanàna manodidina dia samy nihetsika hanakombona ny lalana homban’ireo dahalo. Vokany, nihatery tokoa ny lalan’ireo dahalo hany ka voatery nitsoaka nanararaotra ny alina sady nilaozana ny omby. Adiny roa taty aoriana dia tafaverina tamin’ny tompny avokoa ireo omby very tamin’ny 9ora alina.

Tsy nitsahatra teo anefa fa mbola nitrangana fanafihana indray tao amin’ny tanàna atntsoina hoe Ambohitratoandro, fokontany io ihany, kaominina Analavory, ny 29 aprily tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Ny fokonolona moa efa nampihatra ny tagnamaron’ny_fandriam_pahalemana ka misy ny fiambenana isak’alina. Tsikaritry ny tompon’omby sy ny fokonolona ity tovolahy iray izay niditra tao anaty vala ka mamaha tadin’omby rehefa niafina tao anaty omby. Notorahan’ny fokonoloka ka nitsoaka. Nenjehina ary tratra. Tonga ihany koa moa ny zandary rehefa nantsoina ka noraisim-potsiny ity olon-dratsy. Nandritra ny fanadihadiana vonjimaika natao azy dia nanondro ny namany hafa izy ary dia nosamborina avy hatrany. Nitranga izany rehetra izany teo anatrehan’ny fokonolona ka nahatonga ireo zandary nitondra avy hatrany ireo voalaza fa dahalo roa lahy namonjy ny birao hanohizaba ny fanadihadiana azy ireo mba hisorohana ny hatezeram-bahoaka.

Mitohy moa ny fandihadiana eo anivon’ny zandarimarian’Analavory, distrikan’I Miarinarivo ankehitriny satria fantatra fa mbola maro ireo jiolahy mirihariha any amin’izao fotoana izao.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici