- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Mpandanja volamena voasakan-dalana, lasa ny vola no sady naratra

Miarinarivo : Mpandanja volamena voasakan-dalana, lasa ny vola no sady naratra

Nitrangana fanakanan-dalana teo amin’ny lalana mampitohy an’Ankisabe sy Tamponala ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fantatra dia lehilahy iray handeha handanja volamena no lasibatra ary lasan’ilay olon-dratsy ny vola mitentina eo amin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary teo ho eo. Tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any no nahazo antso fanairana ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankisabe. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo. Efa olona naratra moa no hitan’izy ireo teo an-toerana. Mpandraharaha iray any an-toerana izay nikasa ny handeha hividy volamena any an-toerana nandeha moto. Raha ny filazany dia olona iray ihany no namono azy satria efa toa nandrasan’ity farany kendry tohana izy. Novelesen’ilay olon-dratsy tamin’ny zaran’angady teny ambony moto ny tenany ary lavo. Vantany vao nianjera dia novonjen’ilay olon-dratsy notolomina ary tsy namelany raha tsy azony ilay kitapo nisy vola tany aminy. Nitsoaka toy ny tsy teo ingahy rehefa avy nahazo izay nilainy. Novonjen avy hatrany moa ity niharam-boina ity ary ny sasany tamin’ireo zandary kosa nanao ny fanarahan-dia, nanenjika ilay olon-dratsy. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandray dia tsy lasa lavitra ity farany fa tra-tehaka teo amoron’ny reniranon’i Samitaha, teo am-pisoloana akanjo, raha ny vaovao azo hatrany. Nopaingorina mora foana ataka izany ingahy, izay niaiky rahateo ny zavatra nataony. Mbola hita teny aminy moa mazava ho azy ilay kitapo nisy vola norobainy tany amin’ilay mpandraharaha sy ilay mizàna fandanjàna volamena. Tsy nisy alaharo alaharo fa dia nosamborina avy hatrany ingahy ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary sy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Ho atolotra ny Fampanoavana izy, hoy ny zandary aorian’ny fakàna am-bavany azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici