Nisy namaky alina ny tsenan’ny Kaominina ambonivohitra Miarinarivo. Mitentina an-tapitrisany maro ny entana voaroba. Miisa 07 ireo fivarotana vaky tao anatin’io tsena io, ka lasan’ireo mpandroba tamin’izany ny entam-barotra maro, toy ny vary amin’ny gony, Provandy, menaka, entana ilaina amin’ny andavan’andro sns… Maro ihany koa ny entana simba naparitak’ireo jiolahy eran’ny tsena. Ny varavaran’ny tranompokonolona, izay misy fitohizany amin’ny tsena, no nopitsohan’ireo mpangalatra, ka teo izy ireo no niditra, ary teo ihany koa no namoahan’izy ireo ny entana. Porofon’izany ireo menaka sy paty niparitaka tao amin’io tranompokonolona io, izay hitan’ireo mpitandro ny filaminana rehefa maraina. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina hatramin’ny 2 ora maraina no nitranga ny fandrobana, ary tena nanao izay danin’ny kibony ireo jiolahy, izay mbola tsy fantatra ny isany hatreto, satria mbola nihinana ireo sakafo hitany tamin’ny hotely ireo tao anatin’io tsena io. Ny hany fantatra dia tsy maintsy nampiasa fiara ireo tamin’izay, saingy tsy nisy nahatsikaritra izany. Marihina moa fa misy mpiambina ny tsenan’i Miarinarivo ao anatiny sy ivelany, saingy tsy tao an-toerana izy ireo nandritra ny fanafihana, raha ny nambaran’izy mirahalahy tamin’ny famotorana nataon’ny polisy. Voatery notanana eny amin’ny kaomisaria ireo mpiambina ireo vokatr’izany mandra-pahita ny marina. Ahian’ny mponina aty an-toerana ho resaka politika no ao ambadik’izao tranga izao, noho ny fifampihantsiana mafampana misy eto Miarinarivo amin’izao fampielezan-kevitra izao.
Andry Raph