- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Pasitera maty novonoina noho ny ady lova

Miarinarivo : Pasitera maty novonoina noho ny ady lova

Lonilonim-pianakaviana mahakasika ny famarotana lova. Izay no antony namonoana ny raim-pianakaviana iray izay mpitondra fivavahana eo anivon’ny fiangonana iray ao Miarinarivo. Ny alin’ny 10 novambra no nitranga ny heloka bevava izay nosaromana tamin’ny fanafihan-jiolahy. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Anorankely sy Anorambe ao amin’ny kaominina Ambatomanjaka no nasesin’ireo olon-dratsy ny fandrobàna ny tokantrano maromaro. Vola mitentina iray tapitrisa ariary no lasain’izy ireo tamin’izany. Ny tena loza dia maty novonoin’ireo ny raim-pianakaviana tao amin’ny tokantrano iray. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny zandary dia nivoaka tsikelikely ny marina momba ny famonoana ho faty azy. Teo ihany ny fanafihana izay nentina nanakomana ny fandatsahan’aina, fa kosa ny tena tao ambadika dia lonilonim-pianakaviana. Tsy olona lavitra ny maty no tompon’antoka, raha araka ny fanadihadian’ny zandary ihany satria dia ny zanany sy ny zafikeliny ihany. Niaiky ny helony ireo olona nandritry ny fakàna am-bavany. Mbola misy olona karohina izay miisa telo ao anatin’ity raharaha ity. Mivadika tanteraka ankehitriny ny dikan’ny atao hoe fianakaviana sy ny mpihavana. Eny anivon’ny fitsaràna dia tsy vitsy ny mpinakavy izay mifampitory ary saika mihodidina amin’ny ady lova avokoa ny anton’izany. Ao ny tsy mifampiera alohan’ny hamarotana na koa manao varotra an-tsokosoko. Ao koa ny manangana avy hatrany amin’ny tany izay tsy mbola voazara akory. Ny tsikaritra dia tsy vitan’ny raharaham-pihavanana intsony izany ary lasa mifandrafy aza ireo olona noho ny ady fanànana. Inoana fa tsy dia mifanalavitra amin’izany ity tranga teny Miarinarivo ity fa kosa efa lasa lavitra loatra ny fomba nentin’ny ankilany namaha ny olana dia ny famonoana ho faty izany. Indrindray koa dia tokony mba mieritreritra ny sehatry ny fitsaràna satria matoa ny olona mamaha ny olana amin’ny fomba toa izany dia noho ny tsy fahatokisan’izy ireo intsony ny rafitra misy na koa ny havesatry ny pitsopitson-draharaha mifandraika amin’ny ady lova…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici