Manjakazaka mihitsy ny asan-jiolahy any amin’iny faritra Miarinarivo iny, tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ny sabotsy lasa teo, andian-dahalo teo amin’ny telopolo lahy teo no nanafika tao amin’ny tanànan’i Mandiavato. Vokany “patron”-na omby iray no niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy, ka maty tsy tra-drano. Vola niaraka tamin’ny firavaka maromaro sy entana sarobidy kosa no lasan’ireo jiolahy tamin’izany fanafihana izany, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina teo no tonga nanafika ireto telopolo lahy ireto, nirongo zava-maranitra sy fitaovam-piadiana mahery vaika. Avy hatrany dia nirefodrefotra ny basy, nampihorohoro ireo mponina, izay tsy nisy sahy nivoaka nanohitra, na dia iray aza. Trano maromaro teo an-tanàna no avy hatrany dia novantanin’ireto andian-jiolahy ireto, izay nizarazara. Tamin’ny iray tamin’ireo trano voatafika ireo no nisy an’ity tompona omby ity. Tsy nanaiky mora, hilefitra amin’ny fangatahan’ireto olon-dratsy nananika ny tranony, ny lehilahy ka tonga dia norarafan’ireto tsy mataho-tody ny bala. Angamba, raha ny vaovao hatrany, mety ho efa fantatr’ireo jiolahy fa nisy volabe tao an-tranon’ity lehilahy ity. Raha nitaky izany ireto farany, tsy nanaiky ny tompon-trano ka dia izao notifirina tsy am-pihambahambana izao. Vola mitentina roa tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireto andian-jiolahy ireto tamin’io fanafihana nitranga tany an-toerana io. Marihina fa somary lavitra ny misy ireo zandary ka tsy afa-nanohira firy izy ireo, raha tsy vita sy efa nitsoaka avokoa ireto olon-dratsy ireto. Tamin’izay ihany koa vao nisy sahy nivoaka sy nampandre azy ireo avy hatrany. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny vaovao voaray hatrany.
m.L