- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Roa lahy nitaingina moto maty voadonan’ny taxi-brousse

Miarinarivo : Roa lahy nitaingina moto maty voadonan’ny taxi-brousse

Teo Ambohimitarona -Miarinarivo no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Omaly maraina, ny lehilahy iray sy ny rafozany no nanao taingin-droa nandeha moto scooter. Tao anaty fiolanana no nisy taxi-brousse izay nipoitra tampoka ary nifandona ny roa tonta. Mizotra ho any Soavinandriana-Itasy ilay fiara fitaterana io nifandona tao Ambohimitarona, efatra kilaometatra tsy hidirana an’i Miarinarivo. Maty tsy tsa-drano ny iray tamin’ireo lehilahy. Ny iray kosa mbola nihetsika kely ary noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, ny hopitalin’i Miarinarivo. Fotoana fohy taorian’izay dia namoy ny ainy koa io farany.Tsy navela nihetsika teo amin’ilay toerana intsony ny mpamily ilay fiara fitaterana ary notazomina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny tenany raha vao vita ny fijerena ifotony sy ny famaritana ny toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici