- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMiarinarivo – Soavimbazaha : « Quartier mobile » maty nohon’ny resaka politika

Miarinarivo – Soavimbazaha : « Quartier mobile » maty nohon’ny resaka politika

Ny alin’ny 14 jolay lasa teo no maty noho ny vono nahazo azy ity lehilahy iray tao amin’ny fokontany Antsahatanteraka. Resaka politika no niavian’ny disadisa, fifamaliana tamin’ny kandidà iray.

Ny alin’io ihany dia tonga ny valin-kafatra. Tsy nody ity “quarier mobile” ka rehefa tsy nahandry izany ny vady aman-janany, dia nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany. Natomboka avy hatrany ny fikarohana ny manodidina ny tanàna, ora vitsivitsy monja dia hita teo amoron-dàlana ny ila kapan’ity notadiavina ary metatra vitsivitsy avy teo ny vatany ; izay mihohoka ao anaty vovoka. Nojerena sy narenina ary ity vatany sady somary mbola nafana, nobataina sy nentina avy hatrany tany amin’ny dokotera. Tsy tàna teny an-dàlana anefa ny ainy ka teo am-pizahana no nahafantaran’ny dokotera fa vono sy daroka mafy tany amin’ny lohany no nahafaty azy ity.

Efa eo am-pelatanan’ny zandary ity raharaha ity amin’izao, mba hitadiavana izay mety ho nampaniraka na namono ity “quartier mobile”. Mampalahelo tokoa mantsy raha hevitra tsy mitovy no andatsahana ain’olona tahaka izao, satria ny hevitra no miady fa tsy ny olona akory.

Alem

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici