- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Trano dimy kilan’ny afo

Miarinarivo : Trano dimy kilan’ny afo

Manodidina ny tamin’ny telo ora tolakandro teo no nanomboka ny afo ary tsy voafehy intsony. Tao amin’ny fokontany Ambohimanana, toerana iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antoby-Est no nitrangan’izany. Raha ny fantatra dia tsy nisy olon-dehibe tao an-trano. Nanao tsikoninkonina ny ankizy ary izany no nitarika ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy saingy potika tanteraka ny trano ary tsy vitan’izany fa tsy nisy avotra mihitsy ny entana rehetra tao anatiny. Na izany aza aloha mba tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga hain-trano ity. Manodidina ny telopolo eo ny olona tra-boina vokatr’izany. Miantso ny malala-tànana sy ny manam-pahefana ireo tra-boina mba hijery azy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici