- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo – Tsiroanomandidy : Olona telo maty nilatsaham-baratra

Miarinarivo – Tsiroanomandidy : Olona telo maty nilatsaham-baratra

Vao manomboka ny orana, dia namono olona ny varatra. Tany amin’iny faritra Itasy iny, dia raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy, raha namono olona roa, omby roa ary nandratra olona roa hafa kosa izany tao an-drenivohitr’i Bongolava tao. Ny talata lasa teo, lehilahy iray 38 taona no maty tsy tra-drano tokony ho tamin’ny 5 sy sasany hariva, tao Beampombo Manazary Distrikan’i Miarinarivo. Avy niandry omby io lehilahy io ka namatotra izany teo amin’ny toerana mahazatra, ka avy teo niditra tao an-trano no tratran’ny tsy nampoizina. Niditra tao amin’ny varavaran-kely avaratra ilay varatra ka nitety ny tao an-trano ary nandalo tao amin’ireo zanany 3 mianadahy ka niafara tao amin’ny efitrano atsimo nisy an’io raim-pianakaviana io,dia izao nahafaty tsy tra-drano azy! Tsy nisy naninona moa ireo zanany ireo sy ny trano! Fa vao omaly, tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny, dia olona roa sy omby roa no maty nilatsaham-potaka. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno Avaratra, no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity. Avy nampody omby tany an-tsaha ka teny an-dalana ireto fianakaviana ireto no nirefotra ny varatra ka io namoizana aina io. Fantatra fa, tovolahy kely roa  izay vao 16 sy 17 taona monja ireto nindaosin’ny fahatesana tampoka ireto. Mbola nentina nanaraka fitsaboana kosa ireo naratra.

Judi Rabe

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici