Mitohy ny raharaha tranga na vono olona nitranga tao Salazamay P/elle 14/21 Toamasina
renivohitra. Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay namono an’i Lando mpiambina
tranom-bahiny tao Salazamay ny alin’ny 17 febroary 2025. Feno habibiana ny famonoana
azy, satria sady nokapaina ny antsy no notsatotsatohana tamin’izany ihany koa, ka tsy nikely
soroka ny polisim-pirenena teo anivon’ny mpisahana ny raharaha ady heloka nikaroka ireo
nanao famonaona. Voasambotra ireo roa lahy tafiditra tamin’izany vono olona ity, ka
taorian’ny fanadiadiana nataon’ny polisim-pirenena dia niakatra fampanoavana ny raharaha.
Marina fa tapaka ny jiro nandritra ny vono olona fa tsy sakana nahazoana sarin’ireo mpamono olona izany, noho ireo tsara sitra-po nanome izany ny mpitandro ny filaminana. Vokatra izany dia nandray fepetra ny lehiben’ny fampanoavana Toamasina nampiditra am-ponja vonjy maika ireto roa lahy voasambotra voalohany. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikarohana satria mbola misy namany ireto voasambotra ireto, satria efa-dahy izy ireo no nandray anjara tamin’ilay vono olona. Miangavy ireo vahoaka manodidina nitrangan’ny vono olona koa ireo tompon’andraikitra amin’ity raharaha ity, mba hiara-hiasa amin’izy ireo hikarohana ny marina sy hisamborana ireo roa lahy mbola tafatsaoaka hatreto. Tsy azo ekana mantsy ny tranga vono olona feno habibiana tahaka izao ho vitavita ho azy any, noho ireo mpanao izany tafatsaoaka.
Malala Didier