- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMilaza fa mahay manatombo vola : Telolahy indray no karohin’ny pôlisy

Milaza fa mahay manatombo vola : Telolahy indray no karohin’ny pôlisy

Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena mahakasika ireo mpisoloky rain-dahiny, izay efa mampitaraina ny maro. Raha iny voasambotra iny, ilay tompon’antoka tamin’ilay resaka fandefasana « sms » milaza fa nahazo loka goavana, dia telolahy, fanta-daza amin’ny resaka fampitomboana vola indray no karohin’izy ireo fatratra amin’izao.

Ny voalohany, fantatra amin’ny anarana hoe Sirindahy Rolland Didier, teraka ny taona 1989 tany Fenerivo Est ary hita farany tao Tanambao V Toamasina, lot 999 plle 13/35. Ny faharoa, Randriatiana Setra Braham, teraka ny taona 1998 ary hita farany tao amin’ny lot 151 I Ambohidrapeto Itaosy. Ny farany dia izany antsoina hoe Dylan izany. « Izay ihany aloha hatreto no hany fantatra aminy », hoy ny taratasy fikarohana navoakan’izy ireo.

Nambaran’ny pôlisy hatrany moa, fa fampiresahana olona mahakasika ny resaka fampitomboana vola no tena talentan’izy ireo. Ary hainy tsara mihitsy ny mandresy lahatra izay olona lasibatra, izay mazàna dia saika ireo olona mpandeha amin’ireo toeram-pialam-boly isan-karazany, toy ny bar sy ny karaoke.  « Mody ampireven’izy telo lahy ireo ny olona jonoiny no sady mampidera vola izy ireo. Rehefa revon’ ny fampirevena eo dia mafana ny resaka ka milaza izy ireo fa mpampiasa vola no sady mampitombo izany ihany koa raha vonona hiara-miasa amin’izy ireo ilay olona dia manome vola hiarahana mampiasa ary haverina avo roa heny. Betsaka no voafitaka amin’ny resaka ataon’izy ireo ka manome fahatokisana azy telo lahy ka dia manome vola azy ireo . Rehefa mandeha anefa ny fotoana dia sady tsy re antso no tsy hita izy telo lahy », hoy hatrany ny filazam-baovao azo.

Araka izany, iangaviana izay mahafantatra vaovao mahakasika azy ireo mba hampilaza avy hatrany ny mpitandro filaminana akaiky azy na hiantso ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena amin’ny laharana : 034 14 286 54. Mbola mampahatsiahy hatrany ireto mpitandro filaminana fa hohenjehina araka ny lalàna izay olona mampiantrano, mitahiry na manafina olon-dratsy ary heverina ho naman’ny mpiray tsikombakomba aminy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici