- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMinisiteran’ny Foloalindahy : Manamafy ny firaisan-kina amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena

Minisiteran’ny Foloalindahy : Manamafy ny firaisan-kina amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny alarobia 06 novambra 2024 ny lalao fifaninanana ara-panatanjahantena mitondra ny anarana hoe « tournoi de noel, trophee du ministre des Forces armees » teo amin’ny MDN Stadium. Mandritra ny roa volana no hanatanterahana izany ka taranja efatra (baolina kitra, baskety, atletisma ary ny lomano) ka hifaninana’ireo miaramila avy amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Etamazaoron’ny Tafika an-Tanety, ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina ary ny Etamazaoron’ny Tafika an’habakabaka

Nanokatra izao fifaninanana izao ny Amiraly Assany Bemarivo Jannot, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, nisolo tena an’Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy. Tanjona amin’izao fifaninanana izao ny hikolokoloana hatrany ny fahasalamana ara-batana sy hanamafisana ny firaisankina, hoy ny Talen’ny Ôfisy Miaramila misahana ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, ny Kolonely Rakotondrabary Eric.

Tsy latsa-danja amin’izany ihany  koa ny hetsika ataon’ny Fikambanana vadi-Miaramila (FIVAMI) izay nanatanteraka dia an-tongotra 8km mandroso sy miverina teny Ambodifasina Ivato izay niainga toa amin’ny tobin’ny ny sabotsy 9 novambra 2024 nanomboka tamin’ny 6h30 maraina. Niainga tao amin’ny tobin’ny Bataiona Mpilatsaka an’elonaina  Ivato. Niatrika izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin Ramatoa Sahivelo Joséphine filoham-boninahitry ny FIVAMI.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici