- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitanteram-bahoaka : Mirongatra ny halatra taratasin’ny fiara

Fitanteram-bahoaka : Mirongatra ny halatra taratasin’ny fiara

« Mba mailo ! Mizàra manafina « papiers » rehefa eny amin’ny « terminus » ». Ambeti-tenin’ity mpamilina fiara taxibe iray eto an-drenivohitra amin’ireo namany vao tonga. Tato ho ato tokoa, niha-betsaka ireo tompona fiara sy mpamily, nitaraina ho very taratasin’ny fiara, raha ny ranty isan-karazany mandeha anaty tambazotra sosialy ao. Saika voa avokoa na fiara madinika na fiara fitanteram-bahoaka, saingy ny an’ireto farany no tena maro an’isa. Ankoatry ny hoe manjavona ho azy ao anaty fiara, dia misy mihitsy ny hoe novakiana olon-dratsy ny fiara ary tsy nisy afa-tsy ny taratasin’ny fiara no lasa.

Hafahafa tokoa ilay tranga raha ny ho an’ny mpandinika, satria tsy fantatra hoe atao inona taratasin’ny fiara. Misoratra amin’ny tompony iny ary mitondra ny laharan’ny fiara, izay tsy afaka avadika amin’ny fiara hafa velively. Izay anefa ny fiheveran’ny rehetra saingy ny mpanao ratsy mahita hirika foana ary tsy kely lalana. Araka ny angom-baovao dia ataon’ireo olon-dratsy ho toy ny karazana takalon’aina ilay taratasin’ny fiara. Miantso ilay tompony ireo olona mitazona izany ary sandaina vola ny fameranana azy.  Mazava ho azy fa tsy maintsy mandoa ilay tompony raha te ahazo ilay zava-tsarobidy.

Tsiahivina fa vola an-tapitrisany any ho any no lany vao nahavita an’ireo antonta-taratasy rehetra ilaina ho an’ny fiara : ny « carte grise », ny taratasim-piantohana, ny taratasim-pitsirihana, ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra isan-karazany sy ny fahazoan-dalana mitrandraka zotra, ho an’ireo fiara fitanteram-bahoaka. Tsy ho vita ary tsy vita mora foana ihany koa ny fikarakarana ny fameranana tsirairay ireo anton-taratasy ao anatiny, raha toa ka very. Mety hitovy amin’ny vola lany tam-boalohany ihany no tsy maintsy hivoaka, manginy fotsiny ny fotoana lany, ny tsy fahafahan’ny fiara miasa izay tsy maintsy hiteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpampiasa fiara.

Raha ny re dia toa hoe misy tambazotra iray mihitsy ireto olon-dratsy ireo ary mijirika eny amin’ireo « terminus » sy tobim-piantsoan’ny fiara. Miantso ireo tompon’andraikitra mahefa araka izany hijery akaiky ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici